Mananjary: Fakana an-keriny Zaza varira saika havadika vola

803 0
‼️Mananjary: Fakana an-keriny Zaza varira saika havadika vola.‼️
🛑Nisehoana fanafihan-jiolahy ny 19 novambra lasa teo tokony ho t@ny 1 Ora maraina tao amin’ny fkt Ambodiara/Antsenavolo Mananjary ;tsy naka entana na lelavola ireo dahalo miisa 4 fa zazavavy varira 17taona no nalaina.
⛔Nitondra basim-borona miisa 2 ary famaky iray ireo dahalo.
⭕Nanao ny fanarahan-dia ny fokonolona sy ny zandary tao an-toerana niampy ny avieo anivon’ny Cie Mananjary ka raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny zandary sy ireo dahalo.
🚫Vokany avotra soamatsara ity zazavavy varira ity.
Ary mbola nifatotra ny tanany sy nosaromana ny tarehiny tamin’ny fotoana nahazoana azy.
📌Raha ny nambaran’ilay zazavavy varira hatrany dia saika hoentina any Mananjary ho jeren’ilay « PATRON BE » izy ary amidy avieo no izao avotra soamatsara izao.
📍Nanao tari-dositra ireo dahalo taorian’ny fifampitifirana ary mbola karohina fatratra ankehitriny.
❌ Misokatra ny fanadihadiana,ary mitohy ny fikaroham-baovao amin’ireo olon-dratsy.❌
Nangonin’i Malala Tsa

Related Post

𝐅𝐚𝐧𝐨𝐥𝐨𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐫𝐢-𝐛𝐨𝐧𝐢𝐧𝐚𝐡𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐀𝐧𝐭𝐢𝐥𝐢𝐧’𝐈 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 – 𝐃𝐢𝐨𝐬𝐞𝐳𝐲 𝐀𝐧𝐭𝐢𝐫𝐚𝐛𝐞.

Posted by - avril 1, 2025 0
Tanora manodidina ny 60 mpikambana ao amin’ny Antilin’i Madagasikara eto amin’ny diosezin’Antsirabe no nahazo ny mari-boninahitra avy amin’ny fiangonana katolika.Natomboka…