Manoa RANDRIANARISOA | Ben’ny Tanana Kaominina ARIVONIMAMO

625 0

Maro ireo asa vita teto anivon’ny kaominina ambonivohitra Arivonimamo nandritra ny 05 taona nitantanan’ny Ben’ny tanàna Manoa RANDRIANARISOA ity kaominina ity. Isany tena nataony vaindohan_draharaha mantsy vao tonga teo amin’izany toerana izany izy ny famahana ireo olana maharary ny vahoaka toy ny resaka famoronan’asa ka anjatony ireo fampiofanana isankarazany nomena ny vahoaka .

Téo ihany koa ny famahana ny olana resaka lalana ,ny rano ary jiro ka maro ireo toerana mbola tsy nisitraka rano fisotro madio sy jiro no efa nampidirana izany .Tafiditra indrindra tao anatin’ny laharampahamehana ho fampandrosoana ny tanàna ihany koa ny fanamboaran dalana, 29 kilometatra mahery no vita. Akoatr’izay, tsy nanao ambanin-javatra ny fijerana manokana ny lafiny fanatanjahantena,ny fahasalamana ary ny fampianarana ny ben n’y tanàna ka tsy tambo isaina ireo ezaka efa natao .

Na eo aza anefa izany rehetra izany ,tsapa fa mbola betsaka ireo asa tsy vita sy mila fanohizana eto am kaominina Arivonimamo ka Mbola vonona hitondra n’y anjara biriky ho fampandrosoana n’y kaominina n’y ben tanàna ary namaly n’y fangatahan vahoaka n’y hilatsahany Amin fe potoam piasana manaraka indray ka tontosa ny alakamisy 12 septambra teo ny fanaterany ny antotataratasy filatsahan-kofidiany.

Nangonin’i M. Elvinah

Related Post

Jean Nirina RAFANOMEZANTSOA | Manana vina hampandroso sy hampivoatra ny Fokontany Anosizato Atsinanana, ao anatin’ny Boriboritany faha4.

Posted by - septembre 5, 2024 0
« 𝐻𝑎𝑛𝑎𝑜 𝑖𝑧𝑎𝑦 ℎ𝑎ℎ𝑎 𝐹𝐾𝑇 𝑀𝑝𝑖𝑡𝑎𝑟𝑖𝑑𝑖𝑎 ( 𝐹𝐾𝑇 𝑃𝑖𝑙𝑜𝑡𝑒) 𝑛𝑦 𝐹𝑜𝑘𝑜𝑛𝑡𝑎𝑛𝑦 𝑡𝑎𝑛𝑡𝑎𝑛𝑎𝑘𝑜 𝑎ℎ𝑜, 𝑠𝑎𝑡𝑟𝑖𝑎 𝑡𝑒𝑡𝑜 𝑛𝑜 𝑛𝑜 𝑛𝑎ℎ𝑎𝑙𝑎𝑡𝑠𝑎ℎ𝑎𝑛’𝑛𝑦 𝑡𝑎𝑣𝑜𝑛𝑖𝑘𝑜, 𝑘𝑎…