๐ˆ๐ฏ๐š๐ญ๐จ : ๐“๐จ๐ง๐ ๐š ๐ง๐ฒ ๐Ÿ๐š๐ง๐š๐ฆ๐ฉ๐ข๐š๐ง๐š ๐Ÿ‘๐ŸŽ๐Ÿ‘ ๐ญ๐š๐จ๐ง๐ข๐ง๐š ๐š๐ฏ๐ฒ ๐š๐ฆ๐ข๐งโ€™๐ง๐ฒ ๐…๐ž๐๐ž๐ซ๐š๐ฌ๐ข๐จ๐ง๐š ๐‘๐จ๐ฌ๐ข๐š๐ง๐š

42 0
Ivato, 27 Febroary โ€“ Tonga eto Madagasikara ny fanampiana milanja 303 taonina, ahitana fitaovana sy fanampiana ara-tsakafo, avy aminโ€™ny Rosia, tao anatinโ€™ny fiaraha-miasa ara-diplaomatika sy ara-pirahalahiana misy eo aminโ€™ny firenena roa tonta.
Teny aminโ€™ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato no nandray izany taminโ€™ny fomba ofisialy ny Filohanโ€™ny Fanavaozana ny Repoblika, Kolonely Michael Randrianirina, niaraka taminโ€™ny Praiminisitra sy ireo minisitra vitsivitsy ao anatinโ€™ny Governemanta, ary koa ireo tomponโ€™andraikitra ambony sivily sy miaramila.
Araka ny fanazavana azo, dia natao hanohanana ny ezaka ataonโ€™ny fanjakana aminโ€™ny fiatrehana ny filร na maika sy ny fanamafisana ny fahavononana ara-pitaovana ity fanampiana ity. Ahitana fitaovana ilaina aminโ€™ny asa sosialy sy fanampiana ara-tsakafo ho anโ€™ireo marefo indrindra izany.
Nambaranโ€™ireo tomponโ€™andraikitra nandritra ny lanonana fa mariky ny fifandraisana matanjaka sy ny fifampitokisana eo aminโ€™i Madagasikara sy Rosia izao fanolorana izao. Nanamafy izy ireo fa ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena toy izao no anisanโ€™ny andry iankinanโ€™ny fanohanana ny fampandrosoana sy ny fanarenana ara-tsosialy.
Ho zaraina araka ny filร na sy ny laharam-pahamehana apetraky ny fanjakana ireo fitaovana sy fanampiana ara-tsakafo, ka antenaina fa hitondra fanamaivanana ho anโ€™ireo sokajinโ€™olona mila tohana manokana.
Aminโ€™ny ankapobeny, manamarika dingana iray vaovao eo aminโ€™ny fiaraha-miasa stratejika eo aminโ€™ny firenena roa tonta ity fanomezana 303 taonina ity, sady maneho fa mitohy ny fanamafisana ny fifandraisana eo aminโ€™i Madagasikara sy Rosia.
Nangonin’i Bevomaso
Sary : Arphine

Related Post

๐—ฆ๐—ข๐—Ÿ๐—ข๐— ๐—•๐—”๐—ฉ๐—”๐— ๐—•๐—”๐—›๐—ข๐—”๐—ž๐—” ๐—ฉ๐—ข๐—”๐—™๐—œ๐——๐—ฌ ๐—ง๐—”๐—ข ๐—”๐— ๐—œ๐—กโ€™๐—ก๐—ฌ ๐——๐—œ๐—ฆ๐—ง๐—ฅ๐—œ๐—ž๐—”๐—กโ€™๐—ก๐—ฌ ๐— ๐—”๐—›๐—”๐—•๐—ข ๐—ก๐—œ๐—ญ๐—”๐—ฅ๐—” ๐—™๐—œ๐—ง๐—”๐—ข๐—ฉ๐—”๐— ๐—ฃ๐—œ๐—”๐—ก๐—”๐—ฅ๐—”๐—ก๐—” ๐—›๐—ข ๐—”๐—กโ€™๐—œ๐—ฅ๐—˜๐—ข ๐— ๐—ฃ๐—œ๐—”๐—ก๐—”๐—ง๐—ฅ๐—” ๐—”๐—ข ๐—”๐— ๐—œ๐—กโ€™๐—œ๐—ฅ๐—˜๐—ข ๐—ž๐—”๐—ข๐— ๐—œ๐—ก๐—œ๐—ก๐—” ๐Ÿญ๐Ÿฎ ๐— ๐—”๐—ก๐——๐—ฅ๐—”๐—™๐—œ๐—ง๐—ฅ๐—” ๐—ก๐—ฌ ๐——๐—œ๐—ฆ๐—ง๐—ฅ๐—œ๐—ž๐—”๐—กโ€™๐—ก๐—ฌ ๐— ๐—”๐—›๐—”๐—•๐—ข

Posted by - septembre 12, 2024 0
๐™ท๐š˜ ๐š๐šŠ๐š—๐šŠ๐š–๐šŠ๐š๐š’๐šœ๐šŠ๐š—๐šŠ ๐š—๐šข ๐š™๐š˜๐š•๐š’๐š๐š’๐š”๐šŠ๐š—โ€™๐š—๐šข ๐š๐šŠ๐š—๐š“๐šŠ๐š”๐šŠ๐š—๐šŠ ๐š๐š˜๐š’๐š‹๐šŽ ๐šœ๐šข ๐š‘๐š˜ ๐š๐šŠ๐š—๐šŠ๐š–๐š™๐š’๐šŠ๐š—๐šŠ ๐š—๐šข ๐š›๐šŠ๐šข ๐šŠ๐š–๐šŠ๐š—-๐š๐š›๐šŽ๐š—๐šข ๐šŠ๐š–๐š’๐š—โ€™๐š’๐šฃ๐šŠ๐š˜ ๐š๐š’๐š๐š’๐š›๐šŠ๐š—โ€™๐š—๐šข ๐š–๐š™๐š’๐šŠ๐š—๐šŠ๐š๐š›๐šŠ ๐š’๐šฃ๐šŠ๐š˜ ๐šŠ๐š›๐šข ๐š‘๐š˜ ๐š๐šŠ๐š–๐š™๐š˜๐š›๐š’๐šœ๐š’๐š‘๐šŠ๐š—๐šŠ ๐š’๐š›๐šŽ๐š˜…