Manoa RANDRIANARISOA | Ben’ny Tanana Kaominina ARIVONIMAMO

854 0

Maro ireo asa vita teto anivon’ny kaominina ambonivohitra Arivonimamo nandritra ny 05 taona nitantanan’ny Ben’ny tanàna Manoa RANDRIANARISOA ity kaominina ity. Isany tena nataony vaindohan_draharaha mantsy vao tonga teo amin’izany toerana izany izy ny famahana ireo olana maharary ny vahoaka toy ny resaka famoronan’asa ka anjatony ireo fampiofanana isankarazany nomena ny vahoaka .

Téo ihany koa ny famahana ny olana resaka lalana ,ny rano ary jiro ka maro ireo toerana mbola tsy nisitraka rano fisotro madio sy jiro no efa nampidirana izany .Tafiditra indrindra tao anatin’ny laharampahamehana ho fampandrosoana ny tanàna ihany koa ny fanamboaran dalana, 29 kilometatra mahery no vita. Akoatr’izay, tsy nanao ambanin-javatra ny fijerana manokana ny lafiny fanatanjahantena,ny fahasalamana ary ny fampianarana ny ben n’y tanàna ka tsy tambo isaina ireo ezaka efa natao .

Na eo aza anefa izany rehetra izany ,tsapa fa mbola betsaka ireo asa tsy vita sy mila fanohizana eto am kaominina Arivonimamo ka Mbola vonona hitondra n’y anjara biriky ho fampandrosoana n’y kaominina n’y ben tanàna ary namaly n’y fangatahan vahoaka n’y hilatsahany Amin fe potoam piasana manaraka indray ka tontosa ny alakamisy 12 septambra teo ny fanaterany ny antotataratasy filatsahan-kofidiany.

Nangonin’i M. Elvinah

Related Post

Mpikatroka TGV Ambohimalaza | fifampiarahabana noho ny taona vaovao

Posted by - avril 7, 2024 0
𝐌𝐩𝐢𝐤𝐚𝐭𝐫𝐨𝐤𝐚 𝐓𝐆𝐕 𝐀𝐦𝐛𝐨𝐡𝐢𝐦𝐚𝐥𝐚𝐳𝐚 | 𝐟𝐢𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚𝐛𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐨𝐡𝐨 𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐨𝐧𝐚 𝐯𝐚𝐨𝐯𝐚𝐨 — Tontosa androany ny fihaonana sy fifampiarahabana noho ny taona vaovao…