Lanonam-pitsarana manetriketrika notarihan’ny Filoha Voalohany sy ny Lehiben’ny Fampanoavana eo anivon’ny Fitsarana Tampony. Fotoana nanaovana jery todika ny asa vita ka tsikaritra tao anatin’izany fa tratra ny tanjona nokendrena tamin’ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana, vokatry ny fampiharana ny paikady fanavaozana ny fitantanana ny raharaham-pitsarana. Nahavita ezaka goavana ny Fitsarana satria didim-pitsarana miisa 226666 no tafavoaka tamin’ny taom-pitsarana 2023, raha Mpitsara miisa 685 no nisahana izany.
Amin’ity taom-piasana 2024 ity dia hitombo ny ezaka, raha ny nambaran’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana ary efa misy ny asa zato andro nofaritana ho an’ny Minisiteran’ny Fitsarana.
Nanotrona ny fanokafana ny taom-pitsarana 2024, ireo lehiben’ ny Andrimpanjakana isan-tokony sy ny Mpikambana sasany eo anivon’ny Governemanta. Nisolotena ny Filoham-pirenena izay Filohan’ny CSM kosa ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta NTSAY Christian.
Nandray andraikitra vonjimaika ny Praiminisitra Ntsay Christian Tsy niandry ela ny famindram-pitantanana taorian’ny fanesorana tampoka an’i Ramonjavelo Valéry, minisitry ny…
FIHAONAMBEN’NY LEHIBEN’NY SAMPAM-PITSARANA MISAHANA NY ADY IFANAOVAN’NY SAMY OLON-TSOTRA : NISY FEHIN-KEVITRA NORAISINA. ASA MIANDRY NY TSIRAIRAY NY FAMPIHARANA IZANY…
Notontosaina androany tao Ambohimangakely ny hetsika fampivondronana sy fameloma-maso ny antoko TIM, hetsika iray natao hanamafisana indray ny firaisankina sy…
Mara Donna VOLAMIRANTY | Tetik’asan’ny Filoham-pirenena entina hampandroso ny Firenena ny « Base Toliary » Manoloana ny resabe mahakasika ny « Base Toliary »…