PENJY RANDRIANARISOA: « MANDEHA AMIN’NY TSY MIANKINA REHEFA NAHILIKY NY ANTOKO . « 

365 0
Fanapahan_kevitry ny antoko TIM no nanala azy fa tsy nisy fakana vola araka ny filazan’ny sasany hoy i Penjy RANDRIANARISOA androany ka hajaina ny fanapahan_kevitry ny antoko.
Nandeha tamin’ny anaran’ny antoko ny tenany tao anatin’ny 8 taona saingy rehefa nahilika dia mandeha amin’ny tsy miankina.
Hinoana aza hoy izy fa ny fandehanana amin ‘ny tsy miankina dia:
👉Tsy ho baikon’iza n’iza izy ireo ary manana ny foto_kevitra hijoroany amin’ny fitantanana ny kaominina .
👉Ahafahana misokatra bebe kokoa amin’ny ankolafin_kery samihafa raha toa ka noteriteren’ny sasany izy ireo tao anatin’ny antoko ary saika voakihana avokoa tamin’ny asan’izy ireo rehetra .
Tafapetraka androany teny Ambohidratrimo moa ny antotantaratasy filatsahan_kofidian’Andriamatoa Penjy RANDRIANARISOA, tonga maro nanotrona azy ireo mpanohana azy.
Ho tohizana ny asa fampandrosoana misokatra amin’ny ankolafin_kery samihafa izy ireo ary tsy maintsy mamirapiratra ny kaominina Ivato hoy hatrany ity ben’ny tanàna ity androany.
Nangonin’i M.Elvina

Related Post

𝔽𝕀𝕋𝕊𝔸ℝ𝔸ℕ𝔸, ℕ𝕐 𝕆𝕃𝔸ℕ’ℕ𝕐 𝔹𝕆𝕂𝕐 ℝ𝕆𝕍𝕀𝕋ℝ𝔸

Posted by - avril 17, 2024 0
𝐀𝐨 𝐚𝐧𝐚𝐭𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐞𝐳𝐚𝐤𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐢𝐦𝐚𝐬𝐨𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐭𝐞𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐫𝐚𝐟𝐢-𝐩𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐤𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐨𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚𝐧-𝐭𝐚𝐧𝐲, 𝐢𝐧𝐝𝐫𝐢𝐧𝐝𝐫𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐢𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐲…