Nisehoana fanafihan-jiolahy ny 19 novambra lasa teo tokony ho t@ny 1 Ora maraina tao amin’ny fkt Ambodiara/Antsenavolo Mananjary ;tsy naka entana na lelavola ireo dahalo miisa 4 fa zazavavy varira 17taona no nalaina.
Nanao ny fanarahan-dia ny fokonolona sy ny zandary tao an-toerana niampy ny avieo anivon’ny Cie Mananjary ka raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny zandary sy ireo dahalo.
Vokany avotra soamatsara ity zazavavy varira ity.
Ary mbola nifatotra ny tanany sy nosaromana ny tarehiny tamin’ny fotoana nahazoana azy.
Raha ny nambaran’ilay zazavavy varira hatrany dia saika hoentina any Mananjary ho jeren’ilay « PATRON BE » izy ary amidy avieo no izao avotra soamatsara izao.
Mpianatra avy amin’ny sampam-pampianarana Institut des Sciences et de Technique de l’environnement na ISTE no navoaka tamin’ny fomba ofisialy androany…
Ny fahavitantena ara-tsakafo dia fototra iray hiankinan’ny fampandrosoana ny firenena. Teto Changsha no nitsidihanay mivady ny parc de Riziculture Longping.…
Vita ny BAC eo amin’ny reniranon’i Mahajilo mampitohy ny renivohitrin’ny distrikan’i Miandrivazo sy ireo kaominina valo (08) izay nitoka-monina nandritra…