Madagascar Airlines : nametra-pialana tsy ho PCA Rakotomanga Rinah

57 0

Nametra-pialana tsy ho filohan’ny filankevi-pitantanana (PCA) ny Madagascar Airlines, ny zoma teo, Rako­tomanga Rinah. Antony nahatonga izao ny fangatahan’ny filohan’ny filankevi-pitantanana teo aloha, Rakotondraibe Mamy, hiverina handray ny asany. Ny sabotsy teo, nivory teny amin’ny foiben’ny orinasa teny amin’ny Redland Tour Akorondrano, ny mpikambana miisa telo eo anivon’ny filankevi-pitantanana ka nifidy an-dRakotondraibe Mamy indray ho filohan’ny filankevi-pitantanan’ny orinasa Madagascar Airlines (Air Madagascar teo aloha).

Tsiahivina fa tale jenera­lin’ny CNaPS sady filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Air Madagascar teo aloha Rako­tondraibe Mamy. Naiditra am-ponja teny Antanimora izy ny 15 marsa 2022, noho ny raharaha fividianan’ny CNaPS tany mitentina 12 miliara Ar. Fotoana fohy ihany ny tenany no nijanona teny Antanimora fa navoaka hanatanteraka “main d’oeuvre pénal” tety ivelan’ny fonja mandra-pahazoany izany fahafahana vonjimaika ny 11 aogositra 2023 izany. Nandritra ny fotoana nijanonany tany am-ponja, nesorin’ny minisitry ny Fitanterana, Rajantoelina Rolland, tsy ho solontenan’ny minisitera tao anatin’ny filankevi-pitantanan’ny Air Madagascar ity PCA ity sy ny filoha lefitry, Rako­tomanga Rinah. Taorian’io, nandray ny toeran’ny filohan’ny filankevi-pitantanana ny 15 novambra 2022, Rakotoman­ga Rinah ka izao nametra-pialana izao.

Maingoka Mahery

Related Post