Emmonat | Omena Mpiambina manokana ireo Kandida

174 0
Misy mifofo ny ain’ny sasantsasany amin’ireo kandidà ka nandray fepetra ny fibaikoana ny mpitandro filaminana hanome mpiambina manokana ho azy ireo. Natao hiambina an’ireo kandidà 13 isa, ny fianakaviany ary ny tranony moa ireo Mpiambina manokana ireto.
Misy tompon’andraikitra hiresaka amin’izy ireo hahafahany misafdy izay mpiambina hiaraka aminy.
Fantatra ihany koa fa mila mangataka fahazoan- dalana eny amin’ny Prefet ny fanaovana fihetsiketsehana ka arovan’ny mpitandro filaminana ny hetsika amin’izay toerana tendren’ny Prefet.
Na ny mpanao fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana, na ireo mpanao fampielezan- kevitra dia samy tsy avelanay miditra eo amin’ny kianjan’ny 13 mai hoy hatrany ny fanazavana nomen’ireto tandroka aron’ny vozona ireto.
Manoloana ireo Mpitandro filaminana mibirioka kosa dia nambara fa efa an- dalana manitsy azy ireny izahay sy mandray ny fepetra manodidina izay hoy hatrany izy ireo.
Andrasana ny tohin’ny tantara …
© Maingoka Mahery

Related Post

𝐅𝐈𝐋𝐀𝐍𝐊𝐄𝐕𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐀𝐋𝐘 𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍𝐃𝐀𝐕𝐀 𝐍𝐀𝐍𝐀𝐎𝐌𝐁𝐎𝐊𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐀𝐍𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐕𝐎𝐑𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐑𝐀-𝐏𝐎𝐓𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐕𝐎𝐀𝐋𝐎𝐇𝐀𝐍𝐘

Posted by - février 14, 2025 0
Nanomboka androany ny fivoriana ara-potoana ho an’ny filankevitra kaominaly eto amin’ny kaominina ambonivohitra Morondava izay tanterahana ao amin’ny biraon’ny filankevitra …

𝗙𝗜𝗛𝗔𝗢𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗧𝗘𝗢 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗟𝗢𝗛𝗔𝗠-𝗣𝗔𝗡𝗝𝗔𝗞𝗔𝗡𝗔 𝗠𝗣𝗜𝗦𝗢𝗟𝗢 𝗧𝗢𝗘𝗥𝗔𝗡𝗔, 𝗡𝗬 𝗝𝗘𝗡𝗘𝗥𝗔𝗟𝗬 𝗥𝗜𝗖𝗛𝗔𝗥𝗗 𝗥𝗔𝗩𝗔𝗟𝗢𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔, 𝗦𝗬 𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗟𝗢𝗛𝗔 𝗩𝗢𝗔𝗙𝗜𝗗𝗜𝗠-𝗕𝗔𝗛𝗢𝗔𝗞𝗔, 𝗔𝗡𝗗𝗥𝗬 𝗥𝗔𝗝𝗢𝗘𝗟𝗜𝗡𝗔

Posted by - décembre 14, 2023 0
𝗙𝗜𝗛𝗔𝗢𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗧𝗘𝗢 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗟𝗢𝗛𝗔𝗠-𝗣𝗔𝗡𝗝𝗔𝗞𝗔𝗡𝗔 𝗠𝗣𝗜𝗦𝗢𝗟𝗢 𝗧𝗢𝗘𝗥𝗔𝗡𝗔, 𝗡𝗬 𝗝𝗘𝗡𝗘𝗥𝗔𝗟𝗬 𝗥𝗜𝗖𝗛𝗔𝗥𝗗 𝗥𝗔𝗩𝗔𝗟𝗢𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔, 𝗦𝗬 𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗟𝗢𝗛𝗔 𝗩𝗢𝗔𝗙𝗜𝗗𝗜𝗠-𝗕𝗔𝗛𝗢𝗔𝗞𝗔, 𝗔𝗡𝗗𝗥𝗬 𝗥𝗔𝗝𝗢𝗘𝗟𝗜𝗡𝗔 Nisy ny fihaonana teo…