KAOMININA BEFASY NANOMBOKA NY PRE-CAMPAGNE NY KANDIDA TSIRENGE Soafiavy Vinà IZAY NATOLOTRY NY IRMAR

353 0

☑Ny faha 17 ny volana Octobre  lasa teo no nanomboka ny fampafantarana ny firotsahany ho fidiana ho ben’ny tanana ny kandida N°1, TSIRENGE Soafiavy Vinà izao natolotry ny vovonana IRMAR ao amin’ny kaominina ambanivohitra Befasy ka tao amin’ny renivohitry ny kaominina no nanombohany izany  ka nandritra izany no nilazany fa hiara hiasa amin’ny rehetra izy amin’ny fampandrosoana ny kaominina Befasy .

Hanohy ny ezaka efa natombok’ireo ray aman-dreny be teo aloha no atao hoy izy zanky Befasy ny tenako hoy izy ka tsarao amin’ireo zava-bitako ,telo moa ny vina ho an’ity kandida ity dia ny fampiroboroboana ny fampianarana satria tsy afaka mandroso raha tsy mianatra hoy izy eo koa ny  ny fijerena ny fahasalamana satria sarotra ny hisian’ny fampandrosoana raha farofy ny vatana ary indrindra ny fametrahana ny fandriam-pahalemana maharitra izay efa misy ny fiaraha miasa amin’ny mpitandron’ny filaminana ka tsy hiandry azy lany vao hiasa hoy izy fa efa nias aizy ary asa koa no hatao ao anatin’ny fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana na pré-campagne izay nosantarina tamin’ny fanomezana finday ho an’ireo mpitarika ny jado ao anatin’ireo fokotany 17 ao anatin’ny kaominina Befasy ka ao ireo fokotany homena dablio  ireo sekoly  , ao koa ireo omena tafon-tsekoly ary ny fanokafana sekoly amin’ireo fokotany mbola tsy manana sekoly izay hiarahany miasa amin’ny tompon’andraikitry ny fampianarana

👉 Asa izay miteraka fampandrosoana no atao hoy izy .

Nangonon’i RA PA

Related Post

Vovonan’ny Firaisankina Madagasikara an’ny Malagasy Avaradrano | Tafapetraka ny atotan-taratasy

Posted by - avril 4, 2024 0
𝐅𝐈𝐑𝐀𝐈𝐒𝐀𝐍-𝐊𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐕𝐀𝐑𝐀𝐃𝐑𝐀𝐍𝐎 | 𝐓𝐀𝐅𝐀𝐏𝐄𝐓𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐑𝐀𝐓𝐀𝐒𝐘 𝐅𝐈𝐋𝐀𝐓𝐒𝐀𝐇𝐀𝐍-𝐊𝐎𝐅𝐈𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐎 𝐒𝐎𝐋𝐎𝐌𝐁𝐀𝐕𝐀𝐌𝐁𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐃𝐀𝐆𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀𝐑𝐀 —- Androany faha 03 volana Avril ny taona 2024 no…