ANTOKO NY SAFIDIN’I MADAGASIKARA NIVOAKA TAMINN’NY FAHANGINANY

507 0

Nanomboka tamin’ny herinandro teo dia tazana tao amin’ny tambazotra sosialy facebook ny pejy mitondra ny anaran’ny antoko Ny Safidin’I Madagasikara ; «Handeha hanarina ny firenena ho fanohizana ny tolona » io no fanehoan-kevitra voalohany nataon’ity antoko ity tao amin’ny pejiny.
Raha tsiahivina, nijoro tamin’ny taona 1996, ary ny Praiminisitra teo aloha ny Jeneraly Désiré RAKOTOARIJAONA no filoha mpanorina ity antoko ity. Foto-kevitra isan’ny nijoroany ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny fampandrosoana ara-toekarena, tamin’ny alalan’ny fanampiana tosika ny mpandraharaha madinika sy salantsalany ho fampiroboroboana ny famoronana asa ho an’ny Malagasy sy ho amin’ny fanatsarana ny fahefa-mividin’ny isan-tokantrano.
Isan’ny nanamarika ny raharaham-pirenena tany amin’ny Repoblika faharoa ny antoko NY SAFIDIN’I MADAGASIKARA ; tao anatin’ny taona maro no nangina sy tsy tazana mivantana tamin’ny sehatry ny raharaham-pirenena ity antoko politika ity ka izao manomboka miseho izao indray ankehitriny
Tsy mbola nampahafantatra izay mety ho ankolafy politika hisy azy kosa ny antoko Ny Safidin’i Madagasikara amin’izao fahitana ny fiverenenany amin’ny raharaham-pirenena izao. Marihina anefa fa tsy manana kandida nirotsaka amin’ny fifidianana ben’ny tanana ho avy io ny antoko.
Nangonon’i RA PA

Related Post

👉𝐅𝐈𝐇𝐀𝐓𝐑𝐄𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐅𝐈𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 MIOFANA ATO MORONDAVA IREO MPIKAMBANA NY SRMV ANATIN’NY FARITRA MENABE

Posted by - mai 10, 2024 0
✅𝐌𝐢𝐚𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐢𝐤𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐒𝐑𝐌𝐕 𝐬𝐲 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐚𝐦𝐩𝐢𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐤𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐬𝐚𝐤𝐲 𝐧𝐲 𝐛𝐢𝐫𝐚𝐨𝐦-𝐩𝐢𝐟𝐢𝐝𝐢𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐭𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐌𝐞𝐧𝐚𝐛𝐞 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐚𝐭𝐚𝐨…