FI.VA.ZA MIANDRIVAZO NIZARA FITAOVAM-PIANARANA HO AN’NY ZANAKA ZANDARY* KAMBOTY RAY SY ZAZA SAHIRANA ARA-PIVELOMANA.

738 0

Mba ho fanamaivanana ny fikarakarana fidiran’ny mpianatra amin’izao fotoana izao, dia nisy ny ezaka nataon ny FIVAZA Miandrivazo faritra Menabe notarihin’ny vadin’ny komandin’ny vondrotobim-paritra Miandrivazo, izay notanterahina omaly sabotsy faha 21 septambra 2024, tamin’ny 04 Ora tolakandro, tao amin’ny biraon’ny fokontany Ampanasana kaominina ambonivohitra Miandrivazo ka kahie miisa 120 miaraka amin’ny penina 112 sy perisily hazo 23 miaraka amin’ny fitsipika 60 sy kitapo 3 no nozaraiana tamin’ny mpianatra 23 ka ny 3 mianadahy dia zanaka zandary kamboty ary ny 2O kosa dia zaza sahirana ara-pivelomana
🙏Naneho fankasitrahana tanteraka izany fanampiana izany ireo Ray aman-dreny sy ireo zaza mpianatra, ary nahatsapa fa ankoatra ny maha mpitandro filaminana dia tena manampy vahoaka amin’ny fahasahiranana ny zandarimaria.

Nangonon’i RA PA

Related Post

𝐅𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐁𝐎𝐍𝐆𝐎𝐋𝐀𝐕𝐀.

Posted by - avril 23, 2026 0
𝐅𝐢𝐤𝐚𝐨𝐧𝐚𝐧𝐝𝐨𝐡𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚𝐧-𝐭𝐚𝐧𝐲 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐚𝐣𝐚𝐫𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐧𝐲. Ny faha 23 – 24 aprily izao no hanatanterahana ny fikaonandoham-paritra…