Kaominina Ambohidava | Mahatsiaro ho gisitra eo amin’ny resaka fampandrosoana.

161 0

Malahelo ny vahoaka ao amin’ny Kaominina Ambohidava , Distrikan’Ambatondrazaka fa mahatsiaro ho gisitra eo amin’ny resaka fampandrosoana.

Nandritra izay 04 taona nitondran’ny ben’ny tanana izay hoy izy ireo dia tsy mba nisy fotodraditr’asa na faran’izay bitika aza vita tao amin’ny renivohitry ny kaominina fa ireo efa nitsangana aza rava sy miha simba fa tsy mba misy fikarakarana.

Nandiso fanantenana azy ireo ihany koa ireo solombavam-bahoaka satria tsy mba niady ny tombotsoan’izy ireo na dia efa mitaraina mafy amin’izy ireo aza ny vahoaka, ilay solombavam-bahoaka voafidy tamin’ny antoko TIM izay nampirisika anay nifidy ny ben’ny Tanana TIM ary moa hoy hatrany izy ireo tsy mbola nanitsaka ity Kaominina ity hatramin’ny naha lany azy fa tena adinony tanteraka ny fisinay.

Anisan’ny tena olana sedrain’ny tantsaha amin’io Kaominina io moa tsy fisian’ny Barazy hifehezana ny rano izay efa nanaovan’izy ireo fitarainana sy fangatahana saingy hatramin’izao tsy misy valiny izany fangatahana izany, koa manaitra ny sain’ireo tompon’andraikitra isa-tsokajiny avy izy ireo mba hijery ny Kaominina Ambohidava fa tena lasa zanak’Ikala hafa.

Nangonin’i Lova Janà

 

Related Post

Commune Sabotsy Namehana| Voatolotra ny Lakilen’ny FKT Tsarafara

Posted by - juillet 8, 2024 0
𝐍𝐀𝐓𝐎𝐋𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐍’𝐈 𝐑𝐀𝐌𝐀𝐓𝐎𝐀 𝐅𝐈𝐋𝐎𝐇𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐎𝐊𝐎𝐍𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐋𝐀𝐇𝐈𝐃𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐁𝐈𝐑𝐀𝐎𝐌-𝐏𝐎𝐊𝐎𝐍𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐄𝐓𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐊𝐓 𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀𝐅𝐀𝐑𝐀 Maso niara-nijery satria nibaribary tahaka ny tafika andrefan-tanana…