FAHATRATRARANA MPANGALATRA ENTANA ANATY FIARA MANDEHA LALAN-DRATSY TAO AMIN’ NY LALAM-PIRENENA FAHAROA RN2.

250 0
FAHATRATRARANA MPANGALATRA ENTANA ANATY FIARA MANDEHA LALAN-DRATSY TAO AMIN’ NY LALAM-PIRENENA FAHAROA RN2.
 
Voasambotry ny zandarimariam-pirenena ao Vohibinany (Brickaville ) ilay tovolahy tompon’antoka tamin’ny resaka halatra entana anaty fiara tsy mahataho-dalàna na (4×4) izay niseho tamin’iny lalam-pirenena faharoa (RN2) iny tao amin’ny toerana antsoina hoe Androranga, fokontany Nierenana, Kaominana Ambonivohitra Vohibinany.
 
Raha tsiahivina dia omaly hariva 16 aprily 2024 tokony tamin’ny 09 Ora no nisy nangalatra ireo entanan’ireo mpandeha tao anatin’ny fiara voalaza etsy raha avy Antananarivo hiazo ny renivohitry ny faritra Atsinanana. Nanaraotin’ny tsy matahotody ny fandalovany sy fandehanan’io fiara io mora teo amin’ny lalan-dratsy voalaza ka very vokatr’izany ny sakaosy miisa telo izay misy solosaina(ordinateur), fitaovana fakan-tsary ( appareil photo) sy kojakoja ary fitafiana maro samy hafa.
 
Vokatry ny fikarohana nataon’ireo zandary teny an-toerana sy ny fidrandrahana ireo angom-baovao dia tratra androany 17 aprily 2024 maraina ny iray tamin’ireo nahavanon-doza raha toa ka mbola karohina ny namany iray izay mbola mitsoaka ankehitriny . Hita arak’izany ny solosaina( ordinateur) sy ireo sakaosy, « ventilateur ».
Efa eo ampelatan’ny manam-pahefana ao Vohibinany ny raharaha ankehitriny ary hatolotra ny fampanoavana ao Toamasina aorian’ny Famotorana.
 
Ny zandarimariam-pirenena dia manentana ireo mpampiasa làlana mba ho mailo lalandava ary hanamarina tsara ny hidin’ny fiara rehefa mandalo amin’ireny lalan-dratsy ireo fa tsy kely làlana ny mpanao.
Aoka ihany koa tsy hisalasala hiantso ny zandarimariam-pirenena akaiky anao indrindra raha sendra misy ny mampihahiahy na tranga eny làlana mba hahafahana manampy anao ara-potoana satria  » NAMANAO HATRANY NY ZANDARIMARIA »
 
Nangonin’i Claudia Tsitolomy
Source: Zandarimariam-pirenena m-pirenena Atsinanana.

Related Post

𝘉𝘖𝘕𝘕𝘌 𝘈𝘊𝘛𝘐𝘖𝘕: 𝙏𝘼𝙂𝙉𝘼𝙈𝘼𝙍𝙊 𝙉𝘼𝙉𝘼𝘿𝙄𝙊 𝙉𝙔 𝙃𝙊𝙋𝙄𝙏𝘼𝙇𝙔 𝗖𝗛𝗥𝗥 𝗔𝗠𝗕𝗢𝗔𝗡𝗔𝗧𝗢

Posted by - février 4, 2024 0
« 𝘛𝘢𝘯𝘰𝘳𝘢 𝘮𝘪𝘢𝘳𝘢-𝘮𝘪𝘦𝘯𝘵𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘬𝘰𝘫𝘢𝘬𝘰𝘫𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘰𝘮𝘣𝘰𝘯𝘢𝘯𝘢 » 𝘉𝘖𝘕𝘕𝘌 𝘈𝘊𝘛𝘐𝘖𝘕: 𝙏𝘼𝙂𝙉𝘼𝙈𝘼𝙍𝙊 𝙉𝘼𝙉𝘼𝘿𝙄𝙊 𝙉𝙔 𝙃𝙊𝙋𝙄𝙏𝘼𝙇𝙔 𝗖𝗛𝗥𝗥 𝗔𝗠𝗕𝗢𝗔𝗡𝗔𝗧𝗢   𝗔𝘀𝗮𝗯𝗼𝘁𝘀𝘆 𝟬𝟯.𝟬𝟮.𝟮𝟬𝟮𝟰…