Tagnamaro, andron’ny olom-pirenana

657 0
« Tagnamaro, andron’ny olom-pirenana »
 
📌  Teny amin’ny Lycée technique professionnel (LTP) sy ny Centre de formation profesionnelle (CFP) Ampasampito no nanaovana ny Tagnamaro, andron’ny olom-pirenena androany sabotsy faha 17 febroary 2024 ho an’ny Minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’asa. Nitarika izany teny an-toerana ny Minisitra Lalatiana RAKOTONDRAZAFY.
 
📌  Nandray anjara mavitrika ny mpiara-miasa avy amin’ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa, ary ireo mpianatra avy ao amin’ireo sekoly roa ireo.
 
📌  Efa ela no tsy nisy fanamboarana ny LTP sy ny CFP eny Ampasampito. Betsaka, arak’izany, ny asa tokony ho atao, izay tsy ho vita ao anatin’ny iray andro. Izany no nahatonga an-dRamatoa Minisitra, Lalatiana RAKOTONDRAZAFY, hanao antso amin’ny mpiara-miasa sy ireo mpianatra ary ny Ray aman-dReny hifanome tanana ho fanohizana ny asa.
 
📌  Hotohizana isaky ny asabotsy ny fanamboarana, mandra-pahavitan’ny asa izay azo tanterahina amin’ny alalan’ny “Tagnamaro”
 
« Olo mahay raha tsy very mandeha »

Related Post

𝐅𝐈𝐓𝐀𝐋𝐄𝐕𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐁𝐄𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐍𝐈𝐀

Posted by - avril 16, 2025 0
𝐅𝐈𝐓𝐀𝐋𝐄𝐕𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐁𝐄𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐍𝐈𝐀 𝐂𝐈𝐒𝐂𝐎 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀/ 𝐙𝐀𝐏 𝐀𝐍𝐊𝐀𝐙𝐎𝐀𝐌𝐁𝐎 𝐎𝐍𝐆 « 𝐒𝐄 𝐓𝐄𝐍𝐃𝐑𝐄 𝐋𝐀 𝐌𝐀𝐈𝐍 »/ 𝐅𝐎𝐍𝐃𝐀𝐓𝐈𝐎𝐍 𝐀𝐗𝐈𝐀𝐍/𝐘𝐀𝐒 𝑵𝑶𝑻𝑶𝑲𝑨𝑵𝑨𝑵𝑨 𝑵𝒀 𝑬𝑷𝑷 𝑨𝑴𝑷𝑨𝑵𝑨𝒁𝑨𝐕𝑨…