๐ˆ๐’๐…๐๐ ๐Œ๐€๐๐€๐Š๐€๐‘๐€ | ๐Ÿ๐ŸŽ ๐“๐€๐Ž๐๐€ ๐๐ˆ๐‰๐Ž๐‘๐Ž๐€๐๐€

166 0
๐Ÿ”ถNankalaza ny faha folo taonany Androany ny Institut Supรฉrieur de Formation Professionnelle des Paramรฉdicaux ( ISFPP) MANAKARA .
Ka lanonana Telo sosona no nanamarihana Izany teto Amin’ny Fatragnรฉ Manakara bรฉ dia ny Famoahana ny mpianatra andiany Fahasivy Izay nisalotra ny Anarana hoe SAFIDY .( Promotion SAFIDY ) Sy ny fankalazana faha 10 taona Ary ny fiarabana nahatra ny taona vaovao izay nafanainy Mpanakanto Thรฉo RAKOTOVAO .
๐Ÿ”ถMpiofana maheriny 70 izy ireo no nomena diplaoma manamarina ny fahavitan’izy reo ny fianarana nandritra ny Telo taona teto Amin’ny ISFPP MANAKARA izay nahitana sage-femme sy infirmiers .
๐Ÿ”ถNambaran’ny Andriamatoa Talรฉ jeneralin’ity sampana ity Andriamatoa RAJAONA Bienvenue nandritra ny fandraisam-pitenenany fa manana ny maha izy azy eto Madagascar izany ISFPP Manakara Izany nandritra izay folo taona izay, satria efa maro ireo nandalo teto no efa lasa Ary efa misy tompon’andraikitra Ambony eto Amin’ny firenena mihitsy aza ,ankoatra ireo izay efa mitantana projet sy efa mpiasapanjakana raikitra ankehitriny.
Midika Izany fa Ireto Zay avoaka eto androany Ireto dia efa afaka mandray asa avy hatrany.
Ankoatra ny tombony lehibe izay nanampiana ny filiรจre izay rantovin’ireo mpianatra nanomboka ny taona 2024 lasa Tรฉo dia Miavaka loatra izahay hoy izy satria efa manana mpampianatra matianinana sy za-draraha dia ireo Docteur sy professeur maro izay mampita fahaizana amin’ireo Zaza ireo ka nahatongavana amin’izao faha folo taonany izao.
Ary atreto dia Mbola tsy mitsahatra mitombo ireo mpianatra Tonga miofana ka manasa ireo ray amandreny Zay tehampianatra ny Zanany ho lasa mpitsabo mpanampy na koa ho mpampivelona fa mbola misokatra ny fandraisana ireo zanatsika.
๐Ÿ”ถTonga Nanome voninahitra ity lanonana androany ity moa ny Mpitondra fanjakana avy eto an-toerana izay nahitana ny avy ao Amin’ny Faritra Fitovinany sy ny avy eo anivon’ny fiadidian’i prefektiora ary kaominina Ambanivohatra Manakara , ankotran’ireo Ray amandreny Zay nasaina .

Related Post

๐’๐š๐›๐จ๐ญ๐ฌ๐ฒ ๐๐š๐ฆ๐ž๐ก๐š๐ง๐š | ๐…๐ž๐ฌ๐ญ๐ข๐ฏ๐š๐ฅ ๐๐ž๐ฌ ๐€๐ซ๐ญ๐ฌ ๐Œ๐š๐ซ๐ญ๐š๐ฎ๐ฑ

Posted by - janvier 9, 2024 0
๐’๐š๐›๐จ๐ญ๐ฌ๐ฒ ๐๐š๐ฆ๐ž๐ก๐š๐ง๐š | ๐…๐ž๐ฌ๐ญ๐ข๐ฏ๐š๐ฅ ๐๐ž๐ฌ ๐€๐ซ๐ญ๐ฌ ๐Œ๐š๐ซ๐ญ๐ž๐š๐ฎ๐ฑ — Anisany nanamarika ny famaranana ny taona 2023 lasa teo, teto aminโ€™ny Kaominina…