SEKOLY TSY MIANKINA « NOTRE ECOLE TSIADANA » | fanampiana ny sahirana sy hetsika ara-java-kanto no namarana ny taona 2023

422 0

Ny Fizarana fanampiana hoan’ny mponina sahirana ety amin’ny faritry ny manodidina ny Sekoly, dia efa fanaon’ny Sekoly Notre Ecole, Tsiadana isan-taona

Ny Alarobia 20 Desambra  2023 lasa teo àry, dia olona sahirana mahatratra 150 isa teo ho eo no nizarana fanampiana, toy ny vary, voamaina, siramamy, sira, ary tsy hadino ihany koa any vatomamy isan-karazany entina hiaraha-mifaly ankatok’izao Fankalazana ny fetin’ny Krismasy taona 2023 izao.

Fantatra fa vokatry ny fanomezana hataon’ireo Mpianatra mandranto fahalalana ato amin’ity sekoly ity no nahatontosana izao fanampiana izao andaniny, fa ankilany kosa tao dia tao ny tan-tsoroka omen’ny Sekoly .

Marihina fa tafiditra ao anatin’ny asa Sosialysahanin’ny Sekoly izany raha ny fanazavana azo.

Fa ny Zoma 22 Desambra 2023 kosa no niaram-paly tetsy amin’ny CONACO EGS ANKATSO, ireo Mpianatra, Mpanabe, Mpandraharaha ato amin’ity Sekoly ity.

Loha-hevitra noraisina tamin’ity hetsika ity dia ny hoe «  NOEL AU TOUR DU MONDE » ka nampiainan’ireo Mpianatra ny fankalazana ny Noely maneran-tany hoan’ireo Ray aman-dreny nanatrika, ary nampisehoan’izy ireo ny fahakingany sy ny fahaizana noratovin’izy ireo, izay nampivalalanina ny mpitazana tokoa

Nandray anjara tamin’ity hetsika ity avokoa ny Mpiantra rehetra eto anivon’ny Sekoly, niantomboka hatrany amin’ny Kilasy ambany indrindra ka hatrany amin’ireo Kilasy Zokiny indrindra izay samy notarihin’ny Mpampiantr’izy ireo avy.

Tiana ny manamarika fa ity Sekoly tsy miankina « Notre Ecole Tsiadana » ity dia anisan’ny Sekoly sangany ety amin’ny faritra manodidina, ary misongadina hatrany amin’ny taham-pahombiazana amin’ireo fanadinam-panjakana.

Ny fianarana no lova tsara indrindra ..

Nangonin’Lay Mahintsy

Related Post

𝐈𝐒𝐓𝐇–𝐄𝐗𝐂𝐄𝐋𝐋𝐄𝐍𝐂𝐄 : 𝐃𝐈𝐀 𝐅𝐈𝐁𝐄𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐀𝐌𝐏𝐈𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐘 𝐍𝐘 𝐓𝐄𝐎𝐑𝐈𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐙𝐀𝐕𝐀-𝐌𝐈𝐒𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍𝐃𝐀𝐕𝐀

Posted by - mars 31, 2026 0
Antananarivo / Morondava — Nanatanteraka dia fibeazana ( 𝙑𝙤𝙮𝙖𝙜𝙚 𝙙’𝙚́𝙩𝙪𝙙𝙚) tany Morondava ny Sekoly Ambony tsy miankina 𝗜𝗦𝗧𝗛–𝗘𝘅𝗰𝗲𝗹𝗹𝗲𝗻𝗰𝗲, ka mpianatra…