TILY FARITANY ITASY – NANATANTERAKA LASY FANOFANANA MPIANDRAIKITRA

411 0

Ofana naharitra 6, nanomboka ny 26 Desambra ka hatramin’ny 31 Desambra taona 2024 lasa teo no notanterahin’ny Faritany Tily eto Itasy, izay natao tao Faliarivo Soavinandriana Mpiandraikitra Tily miisa 100 mianadahy teo ho eo no tonga nanatrika ity ofana ity, ary nahita ny Sokajy rehetra misy eto anivon’ny Tily eto Madagasikara, dia ny Sampana Mavo, Sampana Maitso, ary ny Sampana Mena. Tanjona tamin’ity ofana ity dia hampitomboina bebe kokoa ny fahaiza-manao, sy fahaiza-mitarika hananan’ireto Mpiandraikitra ireto, ary natokana hoan’ny Mpiandraikitra Tily irery ihany ity ofana ity araka ny fanazavana nomen’i Falengy Sariaka Filohan’ny Lasy.

Mivelatra ao anatin’ny Distrika 3, eto anivon’ny  Faritra Itasy  ny Faritany Tily Itasy, ary ahitana Fivondronana miisa 54, arak any fanampim-panazavana nentin’i Mamiratra RAHARINANTOANINA izay Filoham-paritany Tily Itasy. Nasiany tsindrim-peo manokana fa mavitrika ary mazoto ny Mpiofanana nanatrika izao fiofanana izao, misy mihintsy aza hoy izy nandeha tongotra nahatritra iray andro sy tapany vao nahita fiara nahatongana teto, kanefa dia mbola tarehy miramirana sy fo feno tsiky hatrany no hita eny amin’ny endrik’ireto Mpiandraikitra Tily ireto. Nambarany hatrany fa fanabeazana mahomby tanteraka ny fanabeazana Skoto, na dia somary hafahafa aza ny fandraisan’ny mpiara-belona azy.

Fa Fiofanana ampy ary mifandraikitra amin’ny vanin’andro ankehitriny no omena ny ny Mpiofana ary tsy mena mitaha amin’ny fiofanana hafa io kosa indray no nolazain’i Fosa Kingasaina izay Talen’ny Fanofanana Mpiandraikitra Faritany Tily Itasy raha tafaresaka taminay.

Tiana hatrany ny manamarika fa feno 100 taona ny Fanabezana Skotisma eto Madagasikara, ka hetsika marolafy no efa nanombohana sy nanamarihana izany tsingerin-taona miezinezina izany.

Mahatoky ny Tily, satria Tily indray andro… Tily mandrakizay

 

Nangonin’ Lay Mahitsy

Related Post

𝐈𝐒𝐓𝐇–𝐄𝐗𝐂𝐄𝐋𝐋𝐄𝐍𝐂𝐄 : 𝐃𝐈𝐀 𝐅𝐈𝐁𝐄𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐀𝐌𝐏𝐈𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐘 𝐍𝐘 𝐓𝐄𝐎𝐑𝐈𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐙𝐀𝐕𝐀-𝐌𝐈𝐒𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍𝐃𝐀𝐕𝐀

Posted by - mars 31, 2026 0
Antananarivo / Morondava — Nanatanteraka dia fibeazana ( 𝙑𝙤𝙮𝙖𝙜𝙚 𝙙’𝙚́𝙩𝙪𝙙𝙚) tany Morondava ny Sekoly Ambony tsy miankina 𝗜𝗦𝗧𝗛–𝗘𝘅𝗰𝗲𝗹𝗹𝗲𝗻𝗰𝗲, ka mpianatra…

𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗽𝗶𝗮𝗻𝗮𝘁𝗿𝗮 3 𝘁𝘀𝘆 𝗮𝗳𝗮𝗸𝗮 𝗻𝗶𝗮𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮 𝗯𝗮𝗸𝗮𝗹𝗮𝗼𝗿𝗲𝗮

Posted by - juillet 22, 2024 0
𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗽𝗶𝗮𝗻𝗮𝘁𝗿𝗮 3 𝘁𝘀𝘆 𝗮𝗳𝗮𝗸𝗮 𝗻𝗶𝗮𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮 𝗯𝗮𝗸𝗮𝗹𝗮𝗼𝗿𝗲𝗮 (𝑺𝒂𝒎𝒚 𝒄𝒂𝒏𝒅𝒊𝒅𝒂𝒕 𝒍𝒊𝒃𝒓𝒆, 𝒏𝒂𝒌𝒂𝒏`𝒏𝒚 𝒎𝒑𝒊𝒂𝒔𝒂 𝒔𝒆𝒓𝒗𝒊𝒄𝒆 𝒅`𝒆𝒙𝒂𝒎𝒆𝒏 𝒗𝒐𝒍𝒂 𝒎𝒃𝒂 𝒉𝒐 𝒕𝒂𝒇𝒊𝒅𝒊𝒕𝒓𝒂 𝒄𝒂𝒏𝒅𝒊𝒅𝒂𝒕…

𝐂𝐄𝐆 𝐀𝐦𝐛𝐨𝐥𝐨 𝐓𝐚𝐥𝐚𝐭𝐚 𝐕𝐨𝐥𝐨𝐧𝐨𝐧𝐝𝐫𝐲: 𝐞𝐟𝐢𝐭𝐫𝐚𝐧𝐨 𝐟𝐢𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐯𝐚𝐨𝐯𝐚𝐨 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐨𝐧𝐭𝐨𝐥𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚

Posted by - juin 11, 2026 0
𝑵𝒐𝒕𝒐𝒌𝒂𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐𝒂𝒏𝒚 11 𝑱𝒐𝒏𝒂 2026 𝒕𝒂𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝑪𝑬𝑮 𝑨𝒎𝒃𝒐𝒍𝒐, 𝑲𝒂𝒐𝒎𝒊𝒏𝒊𝒏𝒂 𝑨𝒎𝒃𝒂𝒏𝒊𝒗𝒐𝒉𝒊𝒕𝒓𝒂 𝑻𝒂𝒍𝒂𝒕𝒂 𝑽𝒐𝒍𝒐𝒏𝒐𝒏𝒅𝒓𝒚, 𝒏𝒚 𝒆𝒇𝒊𝒕𝒓𝒂𝒏𝒐 𝒇𝒊𝒂𝒏𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒕𝒆𝒍𝒐 𝒗𝒂𝒐𝒗𝒂𝒐. 𝑭𝒐𝒕𝒐𝒅𝒓𝒂𝒇𝒊𝒕𝒓𝒂𝒔𝒂 𝒉𝒆𝒗𝒆𝒓𝒊𝒏𝒂…