Hoy Avotra, Kandidan’ny Firaisankina teto Avaradrano

224 0
Fa Ianao no fanantenako, Jehovah Tompo o, ry tokiko hatry ny fony aho mbola tanora. » Salamo 71.5
Misaotra an’Andriamanitra lehibe tamin’ny fandaharany ary misaotra sy mankasitraka anareo vahoakan’Avaradrano tsy vaky volo tamin’ny fametrahana fitokisana taminay ka nifidiananareo ahy ho mpisolovava anareo eny anivon’ny Antenimieram-pirenena!
Anterina manokana ny fisaorana ny Vovonana FIRAISANKINA sy ny antoko Tiako i Madagasikara izay nanolotra anay ho Kandida teto Avaradrano.
Eo ihany koa ianareo Kômity Mpanohana manerana ny Kaominina 16 sy ireo fikambanana isan-karazany ary ianareo mpandraharaha/olon-tsotra tamin’ny fanohanana anay Kandida na ara-kevitra na ara-bola na ara-pitaovana, nandritra ny fampielezan-kevitra sy tamin’ny andron’ny fifidianana ka hatraty amin’ny fanangonana ny vokatra!
Ny FIRAISANKINANTSIKA rehetra no nitondra izao fandresena goavana ho antsika izao koa manome toky anareo ny tenako fa tsy handraraka ilo mby an-doha ny fahatokisana napetrakareo tamiko ary hijoro ho tena
Solombavambahoaka marina sy hanao izay tandrify ahy hampandrosoina an’Avaradrano mamintsika!

Related Post

𝐅𝐚𝐧𝐚𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐋𝐚𝐛𝐨𝐫𝐚𝐭𝐨𝐚𝐫𝐚 𝐀𝐫𝐚-𝐭𝐬𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐒𝐢𝐚𝐧𝐭𝐢𝐟𝐢𝐤𝐚 𝐚𝐨 𝐓𝐨𝐚𝐦𝐚𝐬𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐝𝐢𝐧𝐭𝐬𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲

Posted by - octobre 25, 2025 0
𝐅𝐚𝐧𝐚𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐋𝐚𝐛𝐨𝐫𝐚𝐭𝐨𝐚𝐫𝐚 𝐀𝐫𝐚-𝐭𝐬𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐒𝐢𝐚𝐧𝐭𝐢𝐟𝐢𝐤𝐚 𝐚𝐨 𝐓𝐨𝐚𝐦𝐚𝐬𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐝𝐢𝐧𝐭𝐬𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 𝐋𝐚𝐛𝐨𝐫𝐚𝐭𝐨𝐚𝐫𝐚 𝐀𝐫𝐚-𝐭𝐬𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐒𝐢𝐚𝐧𝐭𝐢𝐟𝐢𝐤𝐚 𝐚𝐨 𝐓𝐨𝐚𝐦𝐚𝐬𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐝𝐢𝐧𝐭𝐬𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 —-…