FARITRA SOFIA | TSIZARIZARY NY FITAOVAM-PAMPIANARANA AO AMIN’NY EPP ANTANANDAVA

377 0
FARITRA SOFIA | TSIZARIZARY NY FITAOVAM-PAMPIANARANA AO AMIN’NY EPP ANTANANDAVA MAROVATO CISCO PORT-BERGE. LANY HERY TAMIN’NY FANAOVANA LATSAKEMBOKA NY FOKONOLONA KA MILA TOHANA.
Na dia nanao ezaka tamin’ny fomba rehetra aza ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra ao amin’ny EPP Antanandava Antsirasira kaominina Marovato, Disitrikan’i Port-Bergé fa tsy nahavita tanteraka ny fanatsarana ny toeram-pianarana ao an-toerana. Nanao ain-tsy ho zavatra izy ireo nampitsangana sy nanafo ny trano saingy misedra olana hafa amin’izao. Etsy ankilany sahirana ny ankamaroan’ny tantsaha satria ambany ny vidim-bokatra ka tsy manam-bola ikarakarana ny sekoly izy ireo.
Manoloana an’izany dia mangetaheta fanampiana avy amin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny ny fokonolona ao an-toerana. Simba ny tafon’ny trano fianarana, tsy manana varavarana sy lafika ( dallage) ihany koa. Tsy seza fipetrahana afa-tsy efatra ihany ny sekoly hany ka mipetraka eo amin’ny tany ireo ankizy.
Trano fianarana iray manana efitra roa no anabeazana an’ireo mpianatra ao amin’ny EPP Antanandava ity. 100 Km miala an’i Port-Bergé renivohitra Disitrika ity toerana, mahatsiaro ho lavitra andriana ny Ray aman-dReny Sojabe satria tsy misy mpijery sy mpiahy amin’ny lafiny maro izy ireo hoy ny fanamarihana toy ny fampianarana, momba ny vidim-bokatra ary ny lalana izay maharary azy ireto.
Nangonin’i Gabin Eloi.

Related Post

𝐅𝐚𝐧𝐨𝐥𝐨𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐫𝐢-𝐛𝐨𝐧𝐢𝐧𝐚𝐡𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐀𝐧𝐭𝐢𝐥𝐢𝐧’𝐈 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 – 𝐃𝐢𝐨𝐬𝐞𝐳𝐲 𝐀𝐧𝐭𝐢𝐫𝐚𝐛𝐞.

Posted by - avril 1, 2025 0
Tanora manodidina ny 60 mpikambana ao amin’ny Antilin’i Madagasikara eto amin’ny diosezin’Antsirabe no nahazo ny mari-boninahitra avy amin’ny fiangonana katolika.Natomboka…