FORT-DAUPHIN. « ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY TOERANA MIAVAKA SY NY ZAVA-NAORINA »/DRCC ANÔSY

350 0
Tanteraka soamantsara ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Toerana miavaka sy zava-naorina teto Tolagnaro izay nokarakarain’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Anôsy ka teto amin’ny tora-pasiky ny Libanona izay toerana iray manan-tantara ny eto amin’ilay toerana atao hoe ANKATAFAMARANG.Raha ny tantarany dia tombanana ho tany amin’ny taona 997 tany no nahatongavan’ireo TELAOTSY (Mpanjono) teto Tolagnaro.
 
Taranaka avy any Malezia izy ireo,Telopolo vavy no nanisana azy ireo,tsy isaina ny Lehilahy sy ny Zaza.Nitety faritra sy Kaontinanta maromaro ihany izy ireo vao teto teto Tolagnaro ka nitondra vakoka Kolontsaina mifangaro (Aziatika,Indianina,Afrikanina). Nifanaraka izy ireo fa hizara Vondrona roa hijery ny tany raha azo onenana na tsia.Niditra tao Andadoany ny an-diany iray ary teto Ankatafamarang izay efa lasa Libanona ny anarany amin’izao ny an-diany faharoa.Nifampiantso izy ireo izy ireo rehefa samy tody an-tanety.Izany no antony mampisy toeram-pijoroana roa hita amoron-dranomasina eto an-tananan’i Tôlagnaro,dia ny ao Ankoba(Andadoany) sy ny eto Ankatafamarang (Libanona).
 
Teto amin’ity toerana ity no nambolean-kazo « KATAFAMARANG A »,sady toerana fijoroan’ny taranany(Tetananambôny). Kolontsaina mitodika amin’ny ranomasina ny Kolontsaina « Tetananambôny ».Vitsy raha misy hafa an-koatran’ny « Tetananambôny » ny olona eto Madagasikara izay nanao lanonam-pijo amin’ny hazandranomasina.
 
Tonga nanatrika an’ity lanonana ity ihany koa ny avy ao amin’ny Fileovana Tôlagnaro sy ny lefitry ny Ben’ny Tanana eto FARADOFAY sy ireo Ray Aman-dreny Ara-drazana,Toteny sy ireo taranaka aty afara.
Nisy ny fanehoana ny dihy nentim-paharazana notenin’ireo Mpanankato avy aty an-toerana sy ireo mpianatra izay nasaina.
 
Fiaraha-miasa izay niarahana tamin’ny mpahay tantara aty an-toerana Atoa LUIS MANERA RAEVONIAINA izao ka isaorana hatrany amin’ny fiaraha-miasa ho an’ireo Sehatra rehetra izay nifarimbona nanantateraka an’iny lanonana iny,toy ny Faritra Anôsy,Fileovana ny Kaominina Faradofay,ny avy amin’ny DRS Anôsy,sy ny DREN ANÔSY, Fitaleavam-paritry ny Fampianarana Tekinika,Ny Fitaleavam-paritry ny Fizahantany.
 
Nangonin’i ARRONE KENNEDY.

Related Post

𝐋𝐀𝐕𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐁𝐀𝐋𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐙𝐀𝐍𝐃𝐀𝐑𝐈𝐌𝐀𝐑𝐈𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐈𝐋𝐀𝐌𝐄𝐍𝐀 𝐈𝐋𝐀𝐘 𝐊𝐀𝐑𝐓𝐈𝐄 𝐌𝐎𝐁𝐈𝐋𝐘 𝐃𝐀𝐇𝐀𝐋𝐎 « 𝐑𝐀𝐊𝐎𝐓𝐎𝐒𝐎𝐀 𝐃𝐈𝐓 𝐊𝐎𝐓𝐎

Posted by - mars 24, 2025 0
𝘽𝙀𝙏𝘼𝙇𝙀𝙑𝘼𝙉𝘼 𝙎𝙔 𝘼𝙈𝘽𝘼𝙏𝙊𝙈𝘼𝙇𝘼𝙈𝘼, 𝙁𝙊𝙆𝙊𝙉𝙏𝘼𝙉𝙔 𝘼𝙉𝙄𝙎𝘼𝙉’𝙄𝙍𝙀𝙊 𝙈𝘼𝙁𝘼𝙉𝘼 𝘼𝙈𝙄𝙉’𝙉𝙔 𝙃𝘼𝙇𝘼𝙏𝙍’𝙊𝙈𝘽𝙔 𝘼𝙊 𝘼𝙈𝙄𝙉’𝙉𝙔 𝙆𝘼𝙊𝙈𝙄𝙉𝙄𝙉𝘼 𝘼𝙈𝘽𝘼𝙉𝙄𝙑𝙊𝙃𝙄𝙏𝙍𝘼 𝘽𝙀𝙈𝘼𝙄𝙏𝙎𝙊, 𝘿𝙄𝙎𝙏𝙍𝙄𝙆𝘼 𝘼𝙉𝘿𝙄𝙇𝘼𝙈𝙀𝙉𝘼. Nirotsaka tany an-toerana ny Komandà…