Governoran’ny Faritra Atsimo Andrefana | Toliara maintso no tanjona

277 0

TOLIARA MAINTSO

Hatao fomba fanao eo anivon’ny sampandraharaha misy eto Toliara ny fambolena hazo eny anivon’ny toeram-piasana tsirairay avy, io no nambaran’ny Governoran’ny Faritra Atsimo Andrefana raha nandray fitenenana nandritra ny fanokafana ny fambolen-kazo natao ho fanomezana kanto hoan’ny tananan’i Toliara izay nosantarina amin’ireny lalam-pirenena faha – 07 sy ny Faha 09 izay miditra sy mivoakan’ny Tananan’i Masoandro. Tonga maro ireo Mpiasam-panjakana, ireo tsy miankina fikambanana maro samy hafa androany maraina faha 05 May izay nanombohana ny fambolen-kazo ato anatin’ny Faritra.

Ny Talem-paritry ny Tontolo iainana sy Fampandrosoana Lovain-jafy no nikarakara ny hetsika mba ho fanatanteranana ny 100 andron’ny minisitera sy ho fanatsarana ny Tanandehibe.

Nangonin’i Job

Related Post

Antoko Tiako i Madagasikara | Namboly hazo teny Imerinkasinina

Posted by - février 3, 2024 0
𝐍𝐀𝐌𝐏𝐎𝐑𝐈𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐕𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 𝐌𝐀𝐋𝐀𝐆𝐀𝐒𝐘 𝐇𝐈𝐒𝐎𝐑𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐍𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐎 𝐀𝐍𝐀𝐓𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐋𝐈𝐒𝐈𝐌-𝐏𝐈𝐅𝐈𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐋𝐎𝐇𝐀 𝐓𝐄𝐎 𝐀𝐋𝐎𝐇𝐀 𝐌𝐀𝐑𝐂 𝐑𝐀𝐕𝐀𝐋𝐎𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 Androany, nandritra ny fambolen-kazo, izay…