Governoran’ny Faritra Atsimo Andrefana | Toliara maintso no tanjona

224 0

TOLIARA MAINTSO

Hatao fomba fanao eo anivon’ny sampandraharaha misy eto Toliara ny fambolena hazo eny anivon’ny toeram-piasana tsirairay avy, io no nambaran’ny Governoran’ny Faritra Atsimo Andrefana raha nandray fitenenana nandritra ny fanokafana ny fambolen-kazo natao ho fanomezana kanto hoan’ny tananan’i Toliara izay nosantarina amin’ireny lalam-pirenena faha – 07 sy ny Faha 09 izay miditra sy mivoakan’ny Tananan’i Masoandro. Tonga maro ireo Mpiasam-panjakana, ireo tsy miankina fikambanana maro samy hafa androany maraina faha 05 May izay nanombohana ny fambolen-kazo ato anatin’ny Faritra.

Ny Talem-paritry ny Tontolo iainana sy Fampandrosoana Lovain-jafy no nikarakara ny hetsika mba ho fanatanteranana ny 100 andron’ny minisitera sy ho fanatsarana ny Tanandehibe.

Nangonin’i Job

Related Post

𝐙𝐀𝐍𝐃𝐀𝐑𝐘 𝐑𝐎𝐀 𝐒𝐀𝐌𝐘 𝐌𝐀𝐓𝐘 𝐀𝐌𝐏𝐄𝐑𝐈𝐍𝐀𝐒𝐀

Posted by - octobre 31, 2024 0
𝐙𝐀𝐍𝐃𝐀𝐑𝐘 𝐑𝐎𝐀 𝐒𝐀𝐌𝐘 𝐌𝐀𝐓𝐘 𝐀𝐌𝐏𝐄𝐑𝐈𝐍𝐀𝐒𝐀 (𝒁𝒂𝒏𝒅𝒂𝒓𝒚 𝒎𝒑𝒊𝒂𝒏𝒂-𝒅𝒓𝒂𝒉𝒂𝒓𝒂𝒉𝒂 𝒊𝒓𝒂𝒚 𝒏𝒊𝒕𝒊𝒇𝒊𝒕𝒓𝒂 𝒍𝒆𝒉𝒊𝒃𝒆𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏`𝒏𝒚 𝑪𝑺𝑨𝑶 𝑩𝒆𝒓𝒐𝒓𝒐𝒉𝒂 𝒏𝒊𝒕𝒊𝒇𝒊-𝒕𝒆𝒏𝒂 𝒊𝒛𝒚 𝒂𝒗𝒚 𝒆𝒐) ✦Nahoraka tato…