πŒπ€ππƒπ‘πˆπ“π’π€π‘π€ – ππ€ππŽπ‹πŽπ“π‘π€ π‘π€πŠπŽπ“πŽ 𝐉𝐄𝐀𝐍 𝐑𝐄𝐍𝐄 π‡πŽ πŠπ€ππƒπˆπƒπ€ π’πŽπ‹πŽπŒππ€π•π€πŒππ€π‡πŽπ€πŠπ€ 𝐍𝐘 π’πŽπ‰π€ππ„

579 0

Nifamotoana tao an-tranompokonolona Mandritsara ireo Sojabe maherin`ny 500 avy amin`ny kominina 29 mandrafitra distrikan`i Mandritsara. Nifampiarahaba tratry ny taona 2024, androany talata 05 martsa, tamin`ny 9 ora maraina, ireo Sojabe tarihan`i Randriamihary Luc dit Luc Be.

Isany nasaina manokana tamin`izany Andriamatoa, π‘πšπ€π¨π­π¨ π‰πžπšπ§ π‘πžπ§πžΜ, izay zanaka Mandritsara. Tamin`izany no nilazan`ireo Sojabe maro izay tonga ka nangatahan`izy ireo Atoa Rakoto Jean RenΓ© mba hirotsaka ho Kandida Solombavambahoaka ato anatin`by distrikan`i Mandritsara ary nilaza izy ireo fa vonona ny hifanampy sy hifanohana aminy amin`ny fampandrosoana marolafy ny distrika.

Tamin`izany no nilazan`Atoa Rakoto Jean RenΓ©, ny fahavononany ny hamaly io hetahetan`ny Sojabe ireo satria nahatsapa ireo Ray amandreny fa afaka hiara-hiasa amin`izy ireo ity farany.

Nangonin’i Claudio

Related Post

πŒππ€ππ€πŽ π†π€π™π„π“π˜ π€πŽ π“π’πˆπ‡πŽπŒππ„ ππˆπ‡π€π‘π€πβ€™ππ˜ π‡π„π‘πˆπ’π„π“π‘π€ ππ€π“π€πŽπβ€™ππ˜ π’πŽπ‹πŽπŒππ€π•π€πŒππ€π‡πŽπ€πŠπ€

Posted by - dΓ©cembre 9, 2025 0
Zava-nitranga manafintohina sy mampalahelo no niseho indray tany amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. π‘π€π˜πŒπŽππƒ π‰πžπšπ§ 𝐍𝐚𝐫𝐜𝐒𝐬𝐬𝐞, 𝐦𝐩𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐠𝐚𝐳𝐞𝐭𝐲 𝐚𝐨 πšπ¦π’π§β€™π§π² π‘ππŒ…