DRSP ANÔSY | Vehivavy miarina sy miray hina, firenena mandroso

437 0
« Vehivavy miarina sy miray hina, firenena mandroso » izany no lohahevitra entina hankalazana ny andron’ny 8 Marsa. Raha ny eto Tolagnaro manokana dia nosokafana tamin’ny alalan’ny fotoam-bavaka androany Alahady 3 Marsa izany ary ny Tenin’Andriamanitra ao amin’ny Rota 3:11 no notoriana nandritra ny fotoam-pivavahana. Tonga nanatrika izany ireo vehivavy mpiasan’ny fahasalamana eo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Anôsy. Manana anjara amin’ny fankalazana ny 8 Marsa tokoa ny mpiasan’ny fahasalamana ary amin’ny alalan’ny fanaovana « soins de proximité » maimaim-poana ho an’ny vehivavy bevohoka sy ny zaza latsaky ny 5 taona no andraikitra sahaniny mandritra ny 3 andro.
 
➡️Soa ho hay sika aseky riaha an, fa ho avy amintsika agny gny mpiasany fahasalamà hitsabo gnampela bevoky vô gny zaza latsaky ny 5 tao maimaim-poa no sady hapanô fisa gnampela mba hampirindra gny fiaignam-pianakavia. Dra izao aseky gny programa :
 
✅Gny Talata 5 Marsa anjaratsika ao Amparihy gny handray izay fitsaboa maimaim-poa zay dra amy terrain basket eo gny fotoa.
 
✅Gny Alarobia 6 Mars dra Abezavo egny gny mpiasany fahasalamà mitsabo maimaimpoa gnampela bevoky vô gny zaza latsaky gny 5 tao no sady mampanô fisa avao koa.
 
✅Gny Alakamisy 7 Mars dra Ambinany be lohalovoky gny mpiasany fahasalamà hitsabo gnampela bevoky vô gny zaza latsaky gny 5 tao. Dra mbo mampanô fisa avao koa.
 
Manantena gny fihaviasikan’aby aseky riaha!

Related Post

TOBY KRISTY MANAFAKA IBORA | MPIOMANA 71 MIANADAHY NO VOATOKANA HO MPIANDRY TAMIN’NY TAONA ITY.

Posted by - août 14, 2024 0
𝐁𝐄𝐓𝐒𝐀𝐊𝐀 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐎𝐋𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐄𝐃𝐑𝐀𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐎𝐁𝐘 𝐊𝐑𝐈𝐒𝐓𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐅𝐀𝐊𝐀 𝐈𝐁𝐎𝐑𝐀 𝐊𝐀 𝐈𝐋𝐀𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐎𝐌𝐄𝐙𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐒𝐈𝐑𝐀𝐈𝐑𝐀𝐘. 𝐌𝐏𝐈𝐎𝐌𝐀𝐍𝐀 𝟕𝟏 𝐌𝐈𝐀𝐍𝐀𝐃𝐀𝐇𝐘 𝐍𝐎 𝐕𝐎𝐀𝐓𝐎𝐊𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐎…