FOKONTANY MIISA 3 NO INDRAY DOBO-DRANO

504 0

Fantatra fa hatramin’ny anio, dia Fokontany miisa 3 no indray dobo-drano, ao amin’ny Kaominina ambonivohitr’i Morondava.

Raha ny  fijerin’ny mponina  dia vokatry ny fanotorana tany sesilany atao ato anatin’ity Renivohitr’i Menabe ity no antony mahatonga izany, ka mitarika rano tsy ahita hivoahany intsony.

Tokony hojerena akaiky ihany ity fanotorana tany sesilany ity, satria araka ny filazan’ny mponina dia misy ireo Mpanambola manampatra ny fahefana hananany, ka manototra ny toerana izay tsy tokony hototofana, koa tsy mahagaga raha mitranga izao fihandronan’ny rano izao.

Noho izany dia mila vonjy i Morondava!!

Nangonin’i Bevômaso

[NPG id=4328]

 

Related Post

TOLIHO SAKARAHA |SAKARAHA

Posted by - juillet 13, 2024 0
Firaisankina no hoentina hampandroso ny Faritra na Distrika iray ary fifanomezantanana. Tsy solombavambahoaka izay nifidy ahy aho hoy RAPHAEL Jean…