VOKATRY NY RIVODOZA FYTIA SAIKA NAMOA-DOZA NY TRANGA NISEHO TAO TSIADANA

306 0

Namela takaitra lalina teo amin’ny mponina ao amin’ny Fokontany Tsiadana ny fandalovan’ny rivodoza FYTIA, ny alin’ny Sabotsy 31 Janoary hifoha ny Alahady 01 Febroary 2025.

Tamboho iray no nirodana tamin’ny 2 ora maraina, ka niteraka fahasimbana lehibe tamin’ny trano iray teny an-toerana. Soa ihany fa tsy nisy aina nafoy, satria tsy nisy olona natory tao amin’ilay efitra voakasika tamin’io fotoana io. Marihina fa mpitandro filaminana ilay tompon’ny efitra, ary sendra nandeha nanao iraka manokana (mission) izy tamin’io alina io.

Tsy ilay trano iray ihany anefa no voakasika, fa trano maro manodidina ihany koa no niharan’ny fianjeran’ny tamboho, ka samy nahitana fahasimbana avokoa. Ankoatra izany, andin-jiro iray no voadona vokatry ny vato lehibe nianjera, ka tapaka tanteraka ny jiro teo amin’ny manodidina, hatramin’ny ora nanaovana ny fanadihadiana.

Fantatra fa tsy eto an-toerana ny tompon’ilay trano misy ny tamboho, fa “gardien” no miambina ny toerana. Efa niezaka nifandray tamin’ny tompon-trano ireo mponina sy niharam-boina, saingy tsy mbola nahazo valiny hatramin’izao.

Manoloana ny zava-nisy, nanomboka tamin’ny 6 ora sy sasany maraina ireo mponina no niantso ny mpamonjy voina (Pompier), saingy tamin’ny 10 ora maraina vao tonga teny an-toerana izy ireo. Ny Polisim-pirenena kosa dia tonga tamin’ny 10 ora sy sasany maraina.

Tsikaritra ihany koa fa maro ireo tamboho miorina tsy ara-dalàna manamorona ireo lalan-kely ao Tsiadana, ka mety hitera-doza ho an’ny vahoaka, indrindra mandritra ny fotoanan’ny orambe sy rivo-doza. Noho izany, miantso ny tompon’andraikitra ny mponina mba handinika sy handray fepetra maika, hisorohana ny loza mety hitranga amin’ny ho avy.

Nangonin’ Lay Mahitsy

Related Post

𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍𝐃𝐀𝐕𝐀 : 𝐍𝐀𝐌𝐏𝐀𝐅𝐀𝐍𝐓𝐀𝐑𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐀𝐍𝐘 𝐍𝐘 𝐕𝐎𝐊𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐃𝐈𝐇𝐀𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐙𝐀𝐘 𝐍𝐀𝐓𝐀𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐂𝐑𝐎𝐈𝐗 𝐑𝐎𝐔𝐆𝐄 𝐇𝐈𝐀𝐓𝐑𝐄𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐑𝐈𝐕𝐎-𝐃𝐎𝐙𝐀

Posted by - février 14, 2025 0
𝑵𝙖𝒕𝙤𝒍𝙤𝒕𝙧𝒂 𝒂𝙣𝒅𝙧𝒐𝙖𝒏𝙮 𝙩𝒂𝙤 𝙖𝒎𝙞𝒏’𝒏𝙮 𝙝𝒐𝙩𝒆𝙡𝒚 𝑽𝙀𝒁𝙊 𝘽𝑬𝘼𝑪𝙃 𝒏𝙮 𝙫𝒐𝙠𝒂𝙩𝒓𝙮 𝙣𝒚 𝒇𝙖𝒏𝙖𝒅𝙞𝒂𝙝𝒂𝙙𝒊𝙖𝒏𝙖 𝙞𝒛𝙖𝒚 𝒏𝙖𝒕𝙖𝒐𝙣’𝙣𝒚 𝑪𝙧𝒐𝙞𝒙 𝒓𝙤𝒖𝙜𝒆 𝑴𝙖𝒍𝙖𝒈𝙖𝒔𝙮 𝙢𝒊𝙠𝒂𝙨𝒊𝙠𝒂 𝒏𝙮 𝙛𝒊𝙖𝒕𝙧𝒆𝙝𝒂𝙣𝒂 𝒏𝙮…