FIVOI: MANANA KANDIDA MANANIKA NY 150 HIFANINANA MANERANA NY NOSY AMIN’NY FIFIDIANANA KAOMINALY.

158 0
Olana teny ifotony hatramin’izay ny tsy fanomezana andraikitra ny eny ifotony ka tsy mipetraka ny fampandrosoana ka tonga izy ireo mandray ny andraikiny hoy ny filohany RAJERISON Antoine.
Distrika 25 eto Madagasikara no handraisain’ny FIVOI anjara amin’ny fifidianana kaominaly .
Ahitana kandida 148 , ny 139 amin’ireo efa nahazoana taratasy raha mbola andrasam_baliny avy amin’ny CENI kosa ny 09 ambiny.
Tsy nitady kandida ny FIVOI hoy ny filohany fa ny olona no nanantona azy ireo.
Misy aza efa 10 mahery anaty kaominina iray no naniry hiaraka amin’izy ireo saingy rehefa natao ny fanadihadiana ifotony dia izay mety amin’ny fokonolona ifotony no noraisina.
Tsy izy ireo noho izany no nanendry ny kandida fa ny teny ifotony ary misy fifamatorana mba hisorohana an’ireo mivadibadika.
Tontosa anio sabotsy 05 Oktobra 2024 teny Mandriamena Andoharanofotsy ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo kandidà Ben’ny tanàna sy mpanolotsaina miaraka amin’ny FIVOI manerana an’i Madagasikara.
Nangonin’i M.Elvina

Related Post

M A D I R O V A L O
DISTRICT AMBATO-BOENY

Posted by - août 8, 2025 0
Nigadona anio maraina eto am Kaominina madirovalo ny delegasionina mafonja notarihiny Andriamatoa Solombavambahoaka Randrianarivo Edwin ahitana any Andriamatoa Governoran’ny Faritra…

FAMPIELEZAN-KEVITRA 𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐈𝐇𝐘 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐄𝐅𝐀𝐍𝐀

Posted by - mai 10, 2024 0
𝐄𝐟𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐢𝐥𝐚𝐭𝐬𝐚𝐤𝐚 𝐡𝐨 𝐟𝐢𝐝𝐢𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐬𝐨𝐥𝐨𝐦𝐛𝐚𝐯𝐚𝐦𝐛𝐚𝐡𝐨𝐚𝐤𝐚 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐃𝐢𝐬𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚𝐧’𝐢 𝐀𝐦𝐩𝐚𝐧𝐢𝐡𝐲 𝐚𝐧𝐝𝐫𝐞𝐟𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐚𝐡𝐢𝐭𝐚𝐧𝐚 𝐤𝐨𝐦𝐢𝐧𝐢𝐧𝐚 19 𝐓𝐨𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐫𝐨𝐚 𝐧𝐨 𝐡𝐢𝐟𝐚𝐧𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚,…

𝗛𝗔𝗙𝗔𝗧𝗥𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡’I 𝗝𝗘𝗡𝗘𝗥𝗔𝗟𝗬 𝗥𝗔𝗩𝗔𝗟𝗢𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔

Posted by - octobre 3, 2025 0
𝗔𝗩𝗬 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗘𝗠𝗔𝗛𝗔𝗩𝗔𝗧𝗥𝗦𝗘 𝗘𝗟𝗔𝗛𝗜𝗦𝗔𝗢𝗥𝗘 ; 𝗖𝗼𝗻𝘀𝘂𝗹𝘁𝗮𝗻𝘁 𝗲𝗻 𝗱𝗲́𝘃𝗲𝗹𝗼𝗽𝗽𝗲𝗺𝗲𝗻𝘁 𝗦𝗼𝗰𝗶𝗼 𝗘𝗰𝗼𝗻𝗼𝗺𝗶𝗾𝘂𝗲 : 𝑨𝒛𝒂 𝒎𝒊𝒋𝒂𝒃𝒂𝒌𝒂 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒂𝒔𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝒎𝒑𝒊𝒕𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒍𝒂𝒎𝒊𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒐𝒌𝒂 𝒕𝒔𝒚 𝒂𝒇𝒂𝒏𝒈𝒂𝒓𝒐…