FIVOI: MANANA KANDIDA MANANIKA NY 150 HIFANINANA MANERANA NY NOSY AMIN’NY FIFIDIANANA KAOMINALY.

339 0
Olana teny ifotony hatramin’izay ny tsy fanomezana andraikitra ny eny ifotony ka tsy mipetraka ny fampandrosoana ka tonga izy ireo mandray ny andraikiny hoy ny filohany RAJERISON Antoine.
Distrika 25 eto Madagasikara no handraisain’ny FIVOI anjara amin’ny fifidianana kaominaly .
Ahitana kandida 148 , ny 139 amin’ireo efa nahazoana taratasy raha mbola andrasam_baliny avy amin’ny CENI kosa ny 09 ambiny.
Tsy nitady kandida ny FIVOI hoy ny filohany fa ny olona no nanantona azy ireo.
Misy aza efa 10 mahery anaty kaominina iray no naniry hiaraka amin’izy ireo saingy rehefa natao ny fanadihadiana ifotony dia izay mety amin’ny fokonolona ifotony no noraisina.
Tsy izy ireo noho izany no nanendry ny kandida fa ny teny ifotony ary misy fifamatorana mba hisorohana an’ireo mivadibadika.
Tontosa anio sabotsy 05 Oktobra 2024 teny Mandriamena Andoharanofotsy ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo kandidà Ben’ny tanàna sy mpanolotsaina miaraka amin’ny FIVOI manerana an’i Madagasikara.
Nangonin’i M.Elvina

Related Post

𝐇𝐀𝐇𝐀𝐙𝐎 𝐅𝐈𝐓𝐀𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐇𝐀𝐈𝐍𝐎𝐕𝐀𝐊𝐈𝐉𝐄𝐑𝐈𝐌-𝐁𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐁𝐀𝐓𝐎𝐋𝐀𝐌𝐏𝐘, 𝐈𝐎 𝐍𝐎 𝐕𝐎𝐊𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐇𝐀𝐎𝐍𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐁𝐄𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐑𝐀𝐒𝐄𝐑𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐊𝐎𝐋𝐎𝐍𝐓𝐒𝐀𝐈𝐍𝐀

Posted by - novembre 7, 2025 0
𝐇𝐀𝐇𝐀𝐙𝐎 𝐅𝐈𝐓𝐀𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐇𝐀𝐈𝐍𝐎𝐕𝐀𝐊𝐈𝐉𝐄𝐑𝐈𝐌-𝐁𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐁𝐀𝐓𝐎𝐋𝐀𝐌𝐏𝐘, 𝐈𝐎 𝐍𝐎 𝐕𝐎𝐊𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐇𝐀𝐎𝐍𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐁𝐄𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐑𝐀𝐒𝐄𝐑𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐊𝐎𝐋𝐎𝐍𝐓𝐒𝐀𝐈𝐍𝐀…