ANTENIMIERAM-PIRENENA : LANY TSY NISY NITSIPAKA NY VOLAVOLAN-DALANA LAHARANA 022/2023,

578 0
⚖️ MINISTERAN’NY FITSARANA
ANTENIMIERAM-PIRENENA : LANY TSY NISY NITSIPAKA NY VOLAVOLAN-DALANA LAHARANA 022/2023, MIKASIKA NY FAMOTSIAM-BOLA SY FAMATSIAM-BOLA NY ASA FAMPIHOROHOROANA. NISAOTRA NY SOLOMBAVAMBAHOAKA NY MPITAHIRY NY TOMBOKASEM-PANJAKANA, MINISITRY NY FITSARANA.
 
📌Alarobia faha – 13 Desambra 2023, teto amin’ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena eto Tsimbazaza. Niatrika ny Solombavambahoaka ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, nitondra ny fanazavana ara-politika, ara-tekinika ary ara-tsosialy ny antony nitondrana fanovana sy famenoana ny andininy sasantsasany tamin’ny lalàna laharana 2018-043 tamin’ny 13 Febroary 2019, mikasika ny famotsiam-bola sy famatsiam-bola amin’ny asa fampihorohoroana. Izany dia nialohavan’ny tatitra nataon’ny Mpampakan-teny eo anivon’ny Vaomieran’ny lalàna eo anivon’ny Antenimieram-pirenena, narahin’ny fanazavana ny fomba fiasa tamin’ny fandinihana ny fanitsiana sy ny fanovana, izay nataon’ny Filohan’ny Vaomieran’ny lalàna.
 
📎 Taorian’ny tsangan-tanana amin’ny isan’andininy sy ny fandaniana amin’ny ankapobeny dia lany tsy nisy nitsipaka ny Volavolan-dalana laharana 022/2023 tamin’ny 04 Oktobra 2023 mikasika ny famotsiam-bola sy famatsiam-bola amin’ny asa fampihorohoroana izay manova sy mameno ny andininy sasantsasany tamin’ny lalàna teo aloha mikasika izany.
 
Misy andininy 22 ity lalàna vaovao ity ary 3 ny andininy vaovao nampidirana ao anatiny.
Taorian’izay dia nisaotra ny Solombavambahoaka ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, nohon’ny fahatsapan’izy ireo ny maha-zavadehibe ny sokajin-dalana toy ity vao nolaniana ity.
Nangon’i ‘Lay Mahintsy

Related Post

𝗛𝗔𝗙𝗔𝗧𝗥𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡’I 𝗝𝗘𝗡𝗘𝗥𝗔𝗟𝗬 𝗥𝗔𝗩𝗔𝗟𝗢𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔

Posted by - octobre 3, 2025 0
𝗔𝗩𝗬 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗘𝗠𝗔𝗛𝗔𝗩𝗔𝗧𝗥𝗦𝗘 𝗘𝗟𝗔𝗛𝗜𝗦𝗔𝗢𝗥𝗘 ; 𝗖𝗼𝗻𝘀𝘂𝗹𝘁𝗮𝗻𝘁 𝗲𝗻 𝗱𝗲́𝘃𝗲𝗹𝗼𝗽𝗽𝗲𝗺𝗲𝗻𝘁 𝗦𝗼𝗰𝗶𝗼 𝗘𝗰𝗼𝗻𝗼𝗺𝗶𝗾𝘂𝗲 : 𝑨𝒛𝒂 𝒎𝒊𝒋𝒂𝒃𝒂𝒌𝒂 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒂𝒔𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝒎𝒑𝒊𝒕𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒍𝒂𝒎𝒊𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒐𝒌𝒂 𝒕𝒔𝒚 𝒂𝒇𝒂𝒏𝒈𝒂𝒓𝒐…