FIDOROHANA SY FIVAROTANA RÔRÔ TAO MAHAJANGA OLONA IRAY VOASMBOTRA TAO AMBALAVOLA, OLONA TELO HAFA TAO TSARARANO

231 0
Nanomboka ny 11 Marsa 2024, olona miasa 4, lehilahy roa sy vehivavy roa no nosamborin’ ny polisim-pirenena tao Mahajanga, voasaringotra amina raharaha zava-mahadomelina mahery vaika, rôrô.
Loharanom-baovao no azon’ny polisim-pirenena no niaingan’ny fanadihadiana nahazoana izao vokatra izao. Tamin’ izany no nahalalana fa misy olona mitazona, mivarotra, midoroka zava-mahadomelina mahery vaika rôrô tao amin’ny fokontany Ambalavola.
Voasambotra tamin’izany ny lehilahy 28 taona , izay nahatrarana
Héroïne 9 fonosana dosage anatin’ny indray andro, 3 maraina, telo atoandro ary telo ny hariva.
Nanohy ny asany ny polisim-pirenena ka fantatra fa tany Tsararano Ambany no fanjifana ireto rongony mahery vaika ireto jifaina amina lehilahy iray amin’ny sarany 10 000 Ariary isaky ny fonosana.
Tsy mbola hita io lehilahy io fa ny vadiny mpiara manao aminy io asa io no voasambotra.
Mbola mpisera maka tombony mpanelanelana ihany anefa izy mivady fa rehefa niroso tamin’ny fanadihadiana sy fikarohana lalina dia fantatra ny olona fakany entana ary olona 2 novoasambotra. Mbola nahatrarana fonosana rôrô natao tao anaty boatim-panafody.
AMPISAFIN’I BOENY

Related Post

𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐒𝐞𝐟𝐨 𝐟𝐨𝐤𝐨𝐧𝐭𝐚𝐧𝐲 𝐚𝐧𝐝𝐚𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐭𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐯𝐨𝐤𝐚-𝐩𝐢𝐟𝐢𝐝𝐢𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐭𝐲 𝐭𝐚𝐦𝐩𝐨𝐤𝐚

Posted by - juin 1, 2024 0
𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐒𝐞𝐟𝐨 𝐟𝐨𝐤𝐨𝐧𝐭𝐚𝐧𝐲 𝐚𝐧𝐝𝐚𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐭𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐯𝐨𝐤𝐚-𝐩𝐢𝐟𝐢𝐝𝐢𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐭𝐲 𝐭𝐚𝐦𝐩𝐨𝐤𝐚 ✦Maty teny andalana raha hanatitra voka-pifidianana hihazo aty Mandritsara ny sefo…