FIARAHAMIASA EO AMIN’NY TRANO FIANTOHANA NY HAVANA SY NY OJM : HIHENA 50 % NY SARAN’NY FIANTOHANA MOTO SY FIARA HO AN’IREO MPANAO GAZETY .

194 0
🔴 Mahatratra 7.600 isan-taona ireo mamoy ny ainy sy mitondra takaitra vokatry ny loza-pifamoivoizana an-dalambe eto amintsika raha ny antontan’isa avy amin’ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny famatarana ny toetr’andro.
🔴Mavesatra io antontan’isa io raha nambaran_dRamatoa Harimbola Monica Rasoloarisoa, filohan’ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara.
🔴Manodidina ny 25 ka hatramin’ny 29 isan-taona kosa izany ho an’ny mponina 1 hetsy eto Madagasikara raha ny antontan’isa avy eo anivon’ny banky iraisam-pirenena.
🔴Manana andraikitra amin’ny fisorohana izany ny mpanao gazety noho ny asa fanaovan-gazety izay fantsona hampitana hafatra, hanampy amin’ny fisorohana ny lozam-pifamoivoizana ary ny fipetrahan’ireo mpanao gazety ho modely ho an’ny fiaraha-monina.
🔴Maro amin’ireo mpanao gazety ankehitriny no mampiasa fiara sy moto ho fitaovam-pivezivezena mandritra ny fanatanterahana ny asany.
🔴 Nanao ho zava-dehibe ny fiahiana azy ireo ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara (OJM) sy ny trano fiantohana NY HAVANA ka hiara-hiasa amin’ny fampihenana 50 isan-jato ny saran’ny fiantohana moto sy fiarakodia ho an’ireo mpanao gazety sy ny vady aman-janany mpikambana ao amin’ny OJM.
🔴 Tontosa androany tetsy amin’ny NY HAVANA 67 Ha ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny roa tonta.
🔴Fiaraha-miasa izay hifantoka sy manana vina iraisana ny hampandroso sy hanome lanja ny maha-olona amin’ny alalan’ny fametrahana fiantohana mendrika.
🔴 Ilaina ny fananana fiantohana ary heverina hanamafy ny ady ho fisorohana ny lozam-pifamoivoizana ny fiahiana manokana ny mpanao gazety toy izao.
🔴 Mifanojo indrindra amin’ny fanamarihana ny andro manerantany hatsiarovana ireo namoy ny ainy sy nitondra takaitra vokatry ny lozam-pifamoivoizana.
📝 M.Elvina

Related Post

𝐅𝐀𝐍𝐊𝐀𝐋𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐍`𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐊𝐎𝐋𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀

Posted by - mars 1, 2024 0
𝐅𝐀𝐍𝐊𝐀𝐋𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐍`𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐊𝐎𝐋𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀- 𝐍𝐈𝐅𝐀𝐍𝐓𝐎𝐊𝐀 𝐓𝐀𝐌𝐈𝐍`𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐊𝐎𝐉𝐀𝐊𝐎𝐉𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐀𝐍𝐈𝐍-𝐓𝐒𝐄𝐊𝐎𝐋𝐘 𝐀𝐑𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐋𝐀𝐍𝐀 𝐕𝐎𝐋𝐘 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐀𝐍𝐊𝐈𝐙𝐘 𝗡𝗬 𝗦𝗘𝗞𝗢𝗟𝗬 𝗠𝗔𝗠𝗣𝗜𝗡𝗚𝗢   Tsy nataon`ny mpitantana ny…

VONJEO MAROANAKOMBY FA ATAON’NY DAHALO TAMPIM-BARAVARANA IREO MPIFINDRA MONINA

Posted by - janvier 14, 2024 0
𝐕𝐎𝐍𝐉𝐄𝐎 𝐌𝐀𝐑𝐎𝐀𝐍𝐀𝐊𝐎𝐌𝐁𝐘 𝐅𝐀 𝐀𝐓𝐀𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐃𝐀𝐇𝐀𝐋𝐎 𝐓𝐀𝐌𝐏𝐈𝐌-𝐁𝐀𝐑𝐀𝐕𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐌𝐏𝐈𝐅𝐈𝐍𝐃𝐑𝐀 𝐌𝐎𝐍𝐈𝐍𝐀 —   Vonjeo MAROANAKOMBY, ( FKT Maroanakomby , Commune Rurale Mandrosonoro,…