FIARAHAMIASA EO AMIN’NY TRANO FIANTOHANA NY HAVANA SY NY OJM : HIHENA 50 % NY SARAN’NY FIANTOHANA MOTO SY FIARA HO AN’IREO MPANAO GAZETY .

164 0
🔴 Mahatratra 7.600 isan-taona ireo mamoy ny ainy sy mitondra takaitra vokatry ny loza-pifamoivoizana an-dalambe eto amintsika raha ny antontan’isa avy amin’ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny famatarana ny toetr’andro.
🔴Mavesatra io antontan’isa io raha nambaran_dRamatoa Harimbola Monica Rasoloarisoa, filohan’ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara.
🔴Manodidina ny 25 ka hatramin’ny 29 isan-taona kosa izany ho an’ny mponina 1 hetsy eto Madagasikara raha ny antontan’isa avy eo anivon’ny banky iraisam-pirenena.
🔴Manana andraikitra amin’ny fisorohana izany ny mpanao gazety noho ny asa fanaovan-gazety izay fantsona hampitana hafatra, hanampy amin’ny fisorohana ny lozam-pifamoivoizana ary ny fipetrahan’ireo mpanao gazety ho modely ho an’ny fiaraha-monina.
🔴Maro amin’ireo mpanao gazety ankehitriny no mampiasa fiara sy moto ho fitaovam-pivezivezena mandritra ny fanatanterahana ny asany.
🔴 Nanao ho zava-dehibe ny fiahiana azy ireo ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara (OJM) sy ny trano fiantohana NY HAVANA ka hiara-hiasa amin’ny fampihenana 50 isan-jato ny saran’ny fiantohana moto sy fiarakodia ho an’ireo mpanao gazety sy ny vady aman-janany mpikambana ao amin’ny OJM.
🔴 Tontosa androany tetsy amin’ny NY HAVANA 67 Ha ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny roa tonta.
🔴Fiaraha-miasa izay hifantoka sy manana vina iraisana ny hampandroso sy hanome lanja ny maha-olona amin’ny alalan’ny fametrahana fiantohana mendrika.
🔴 Ilaina ny fananana fiantohana ary heverina hanamafy ny ady ho fisorohana ny lozam-pifamoivoizana ny fiahiana manokana ny mpanao gazety toy izao.
🔴 Mifanojo indrindra amin’ny fanamarihana ny andro manerantany hatsiarovana ireo namoy ny ainy sy nitondra takaitra vokatry ny lozam-pifamoivoizana.
📝 M.Elvina

Related Post

“𝐓𝐬𝐲 𝐫𝐚𝐫𝐢𝐧𝐲!” — 𝐓𝐨𝐯𝐨𝐯𝐚𝐯𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐢𝐫𝐚𝐲 𝐥𝐚𝐬𝐢𝐛𝐚𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐡𝐞𝐫𝐢𝐬𝐞𝐭𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐭𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨 𝐟𝐢𝐥𝐚𝐦𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚

Posted by - octobre 5, 2025 0
𝗙𝗮𝗻𝗼𝗿𝗮𝘁𝗮𝗻𝗮 : 𝗧𝗲𝗻𝗮 𝗵𝗼𝗲 𝗶𝘇𝗮𝗼 𝗺𝗶𝗵𝗶𝘁𝘀𝘆 𝘃𝗲́ 𝗿𝘆 𝗠𝗽𝗶𝘁𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼 𝗳𝗶𝗹𝗮𝗺𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗻𝗼 𝘀𝗮𝗿𝘆 𝘁𝗶𝗮𝗻𝗮𝗿𝗲𝗼 𝗵𝗮𝘀𝗲𝗵𝗼𝗻𝗮𝘆 ?? Tovovavy mpianatra iray eny amin’ny…

𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍𝐃𝐀𝐕𝐀 : 𝐍𝐀𝐌𝐏𝐀𝐅𝐀𝐍𝐓𝐀𝐑𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐀𝐍𝐘 𝐍𝐘 𝐕𝐎𝐊𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐃𝐈𝐇𝐀𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐙𝐀𝐘 𝐍𝐀𝐓𝐀𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐂𝐑𝐎𝐈𝐗 𝐑𝐎𝐔𝐆𝐄 𝐇𝐈𝐀𝐓𝐑𝐄𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐑𝐈𝐕𝐎-𝐃𝐎𝐙𝐀

Posted by - février 14, 2025 0
𝑵𝙖𝒕𝙤𝒍𝙤𝒕𝙧𝒂 𝒂𝙣𝒅𝙧𝒐𝙖𝒏𝙮 𝙩𝒂𝙤 𝙖𝒎𝙞𝒏’𝒏𝙮 𝙝𝒐𝙩𝒆𝙡𝒚 𝑽𝙀𝒁𝙊 𝘽𝑬𝘼𝑪𝙃 𝒏𝙮 𝙫𝒐𝙠𝒂𝙩𝒓𝙮 𝙣𝒚 𝒇𝙖𝒏𝙖𝒅𝙞𝒂𝙝𝒂𝙙𝒊𝙖𝒏𝙖 𝙞𝒛𝙖𝒚 𝒏𝙖𝒕𝙖𝒐𝙣’𝙣𝒚 𝑪𝙧𝒐𝙞𝒙 𝒓𝙤𝒖𝙜𝒆 𝑴𝙖𝒍𝙖𝒈𝙖𝒔𝙮 𝙢𝒊𝙠𝒂𝙨𝒊𝙠𝒂 𝒏𝙮 𝙛𝒊𝙖𝒕𝙧𝒆𝙝𝒂𝙣𝒂 𝒏𝙮…

Akon’ny 26 Jona 2025 | Kaominina Ambanivohitra Befasy

Posted by - juin 28, 2025 0
𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐀𝐍𝐈𝐕𝐎𝐇𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐁𝐄𝐅𝐀𝐒𝐘 , 𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍𝐃𝐀𝐕𝐀 𝗡𝗜𝗔𝗩𝗔𝗞𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗞𝗔𝗟𝗔𝗭𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗘𝗧𝗜𝗠-𝗣𝗜𝗥𝗘𝗡𝗘𝗡𝗔 𝗧𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗜𝗧𝗬 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔 𝟮𝟬𝟮𝟱 𝗜𝗧𝗬 Nanomboka ny faha 19 Jiona…

Toamasina, zaza tsy ampy taona nifanao valifaty

Posted by - novembre 23, 2024 0
𝐓𝐫𝐚𝐧𝐠𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚𝐦𝐨𝐧𝐢𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐧𝐲 𝐁𝐞𝐭𝐚𝐢𝐧𝐨𝐦𝐛𝐲: 𝐀𝐧𝐤𝐢𝐳𝐲 𝐭𝐬𝐲 𝐚𝐦𝐩𝐲 𝐭𝐚𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐟𝐢𝐤𝐚 𝐤𝐚 𝟐 𝐧𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐫𝐲 𝐢𝐫𝐚𝐲 𝐦𝐢𝐬𝐲 𝐦𝐚𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐭𝐚𝐧𝐲. Samy mbola mpianatra…