AMBANJA : LOZAM-PIARAKODIA OLONA DIMY NAMOY NY AINY.

494 0
🛑 Fiara iray tsy mataho-dalana Hyundai-Galoper avy any Antsiranana no niharam-boina raha niditra ny tetezan’i ESTAPRO, fokontany Antsakoamanondro distrikan’Ambanja androany 22 desambra tokony ho tamin’ny 5 ora maraina te ho eo.
 
🚫Araky ny tatitr’ireo nahita maso dia vokatry ny fandehanana mafy loatra no nahatonga ny loza. Nanidina teo amin’ny 20 metatra teo ilay fiara rehefa tsy tafiditra ny tetezana,ary nipitika tery am-pitan’ilay renirano hoy ihany ireo nanatri-maso.
 
⭕5 no maty tsy tsa-drano ary anisan’izany ny mpamily izay vao tanora erotrerony, 32 taona, ary 2 no naratra mafy ka nentina vonjy maika any amin’ny Hopitaly ao Ambanja. Poitka tsy nisy azo raisina intsony ilay fiara.
❌ Aoka isika mpamily tsy ho sodokan’ny làlana mahitsy mitoman-davana fa ho mailo foana ary hijery hatrany ireny takela fanambaràna eny an-dalana ireny. Ny patsa iray mantsy tsy omby vava rehefa tonga ny loza.❌
Nangonin’i Malala Tsa

Related Post

𝐂𝐄𝐆 𝐀𝐦𝐛𝐨𝐥𝐨 𝐓𝐚𝐥𝐚𝐭𝐚 𝐕𝐨𝐥𝐨𝐧𝐨𝐧𝐝𝐫𝐲: 𝐞𝐟𝐢𝐭𝐫𝐚𝐧𝐨 𝐟𝐢𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐯𝐚𝐨𝐯𝐚𝐨 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐨𝐧𝐭𝐨𝐥𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚

Posted by - juin 11, 2026 0
𝑵𝒐𝒕𝒐𝒌𝒂𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐𝒂𝒏𝒚 11 𝑱𝒐𝒏𝒂 2026 𝒕𝒂𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝑪𝑬𝑮 𝑨𝒎𝒃𝒐𝒍𝒐, 𝑲𝒂𝒐𝒎𝒊𝒏𝒊𝒏𝒂 𝑨𝒎𝒃𝒂𝒏𝒊𝒗𝒐𝒉𝒊𝒕𝒓𝒂 𝑻𝒂𝒍𝒂𝒕𝒂 𝑽𝒐𝒍𝒐𝒏𝒐𝒏𝒅𝒓𝒚, 𝒏𝒚 𝒆𝒇𝒊𝒕𝒓𝒂𝒏𝒐 𝒇𝒊𝒂𝒏𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒕𝒆𝒍𝒐 𝒗𝒂𝒐𝒗𝒂𝒐. 𝑭𝒐𝒕𝒐𝒅𝒓𝒂𝒇𝒊𝒕𝒓𝒂𝒔𝒂 𝒉𝒆𝒗𝒆𝒓𝒊𝒏𝒂…