饾悕饾悗饾悞饾悗饾悑饾悗饾悎饾悕饾悁 饾悋饾悗 饾悘饾悆饾悞 饾悕饾悗 饾悋饾悎饾悡饾悁饾悕饾悡饾悁饾悕饾悁 饾悕饾悩 饾悡饾悁饾悕饾悁饾悕饾悁 饾悕饾悩 饾悐饾悁饾悗饾悓饾悎饾悕饾悎饾悕饾悁 饾悞饾悁饾悂饾悗饾悡饾悞饾悩 饾悕饾悁饾悓饾悇饾悋饾悁饾悕饾悁

351 0

Nosoloina ho Delegasiona manokana na PDS no hitantana ny Tananan鈥檔y Kaominina Sabotsy Namehana manomboka androany 18 Novambra 2024 ka io maraina io no natao ny fifamindram-pahefana teo amin鈥橝ndriamatoa RAKOTOARISOA Gabin, izay Ben鈥檔y tanana Mpisolon-toerana sy Andriamatoa RANDRIAMANANJARA Andrianiaina, izay voatendry ho PDS,ary ireo Mpikambana mianadahy hiara-hiasa aminy.

Nandritran鈥檔y kabary fohy teo amin鈥檔y fifanaovan-tsonia, dia nohatitraterin鈥橝ndriamatoa PDS, izay vao notendren鈥檔y Fanjakana, fa tsy marina velively ilay siosion-dresaka miely fa paipaik鈥檃dy P么litika, entina hampandresy ny antokon鈥檔y fitondrana no nanendrena azy izao, fa tena fitohizan-draharaham-panjakana, satria ny asam-panjakana manakaiky ny vahoaka tahaka itony, dia tsy azo bangaina na inona antony na inona antony.

Ny fandaminana ny tsena no vain-dohan-draharaha ho sahany amin鈥檌zao handraisany ny fitondrana ny tanana izao, ankoatry ny fampandehanan-draharaha izay efa fanaon鈥檔y Kaominina.

Nilaza ny solon-tenan鈥檔y Mpiasa eto anivon鈥檔y Kaominina Sabotsy Namehana, fa vonona hatrany amin鈥檔y asa izay hatao, indrindra fa ho tombotsoa ambonin鈥檔y vahoakan鈥檔y Sabnam no katsahina.

Marihina fa hitsahatra amin鈥檔y asany izy ireo, vantany vao mandray ny toerany ny Ben鈥檔y Tanana voafidim-bahoaka amin鈥檔y fotoan鈥檃ndrony.

Tonga nanome voninahitra izao fifamindram-pahefana izao ny Sefo Distrikan鈥橝ntananarivo Avaradrano, ireo tandroka aron鈥檔y vozona eto ana-tanana, nahitana ny Zandarimariam-pirenena, ny Polisim-pirenena, ary ireo mpiara-miasa rehetra eto amin鈥檔y Kaominina Sabotsy Namehana

Nangonin ‘Lay Mahitsy

Related Post

NANAO FANAMBARANA NY VOVONANA FIRAISANKINA

Posted by - octobre 7, 2024 0
Ny 饾棭饾棦饾棥饾棦饾棥饾棓 饾棛饾棞饾棩饾棓饾棞饾棪饾棓饾棥饾棡饾棞饾棥饾棓 no tena mpanohitra eto aminy firenena. Tsy vaky ny 饾棭饾棦饾棥饾棦饾棥饾棓 饾棛饾棞饾棩饾棓饾棞饾棪饾棓饾棥饾棡饾棞饾棥饾棓 araka ny fanambarana nataon’ireo Antoko politika…