FAMERENANA IREO PAIK’ADY HISIAN’NY FANDRIAMPAHALEMANA MAHARITRA

451 0
FAMERENANA IREO PAIK’ADY HISIAN’NY *FANDRIAMPAHALEMANA MAHARITRA AO AMIN’NY TAPANY AVARATRY NY DISTRIKAN’I MIANDRIVAZO*
 
Ampatsiavina fa tao anatin’ny roa taona dia tsapa fa nilamina tanteraka ny distrikan’i Miandrivazo fa indrindra ny tapany avaratra( CR Ankavandra,CR Itondy,CR Soaloka,CR Betsipolitra,CR Manandaza).Tamin’ny volana martsa lasa teo anefa dia nisy kaominina iray nandringa tamin’ny fandriampahalemana dia ny kaominina Ankavandra.
 
Nisy ny fepetra noraisina manandrify izany.Isan’izany ireto manaraka ireto :
-Nesorina ny tompon’andraikitra tsy mahavoafehy ny asany,
– nisy ny *fidinana ifotony nataon’ny komandin’ny vondrotobim-paritry ny zandarimaria* Miandrivazo miaraka amin’ireo zandary maro mba hanantevin-daharana ny zandary eny an-tsehatra tarihin’ny officier coordinateur sy ireo zandary miasa ao Soaloka,Itondy,Befotaka hanenjika ireo mpanao ratsy,
-fanentanana mikasika ny tagnamaron’ny fandriampahalemanana narahina **fampianarana sy fampahatsiavina ny andraikitry ny tsirairay,
  • fanazaran-tena* ho an’ireo *zandary* entina miantsehatra eny an- kianja,
  • titiky faobe nampanaovin’ny tangalamena na lonaky* ho an’ny fokontany 14 mandrafitra ny kaominina Ankavandra mba tsy hisy intsony ny hanao asa ratsy,
  • Nohamafisina* ihany koa ny *DINA,*
  • Nisy ny fanendrena *tompon’andraikitra isaky ny loha kizo,*
  • fampihavanana ireo olona manana disadisa ka ahiana mety hiteraka fikorontanana,
  • fizarana badge ho an’ireo **vatan-dehilahy TSY TIA ASAN-DAHALO,*
 
Ankehitriny dia milaminana ny fiainan’ny vahoaka ary nankasitraka ireo rehetra niara-niantsehatra tamin’izany ny Tomponandraikim-panjakana sy ny mpitandron’ny filaminana.
 
🖋️Ra Pa Menabe

Related Post

𝐌𝐀𝐌𝐏𝐎𝐑𝐈𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐕𝐄𝐇𝐈𝐕𝐀𝐕𝐘 𝐇𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐘 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐈𝐊𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐑𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐏𝐎𝐋𝐈𝐓𝐈𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐊𝐌𝐅/𝐂𝐍𝐎𝐄

Posted by - août 31, 2024 0
𝐌𝐀𝐌𝐏𝐎𝐑𝐈𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐕𝐄𝐇𝐈𝐕𝐀𝐕𝐘 𝐇𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐘 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐈𝐊𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐑𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐏𝐎𝐋𝐈𝐓𝐈𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐊𝐌𝐅/𝐂𝐍𝐎𝐄 ᴢᴏᴍᴀ 30 ᴀᴏɢᴏsɪᴛʀᴀ 2024 ,ᴇғɪᴛʀᴀɴᴏ ᴍᴀʟᴀʟᴀᴋᴀ ɴʏ ғᴀʀɪᴛʀᴀ…