FIANARANTSOA : Tsingerintaona faha-79 ny Tolom-panafahana 1947

8 0
Nomarihina androany 29 Martsa 2026 teto Fianarantsoa ny tsingerintaona faha-79-n’ny Tolom-panafahana 1947.
Fametrahana fehezam-boninkazo teny amin’ny tsangambato fahatsiarovana an’i Jean Ralaimongo ao Tsianolondroa sy teo amin’ny tsangambaton’ny maherifo teny amin’ny Gare FCE Ampasambazaha no nanombohana ny fotoana. Taorian’izay dia lanonana ara-miaramila teny Ampasambazaha , namaranana ny hetsika, izay nanomezam-boninahitra ireo maherifo sy ny tantaran’ny tolom-panafahana.
Nambaran’ny manam-pahefana fa tsy fahatsiarovana fotsiny izao hetsika izao, fa fanamafisana ny fitiavan-tanindrazana, ary ilaina hatrany ny fandraisana andraikitra avy amin’ny tsirairay ho amin’ny tena fahafahana. Notsindriana ihany koa fa ny tena fanavaozana dia miainga amin’ny fanaovana ny marina sy ny fanajana ny soatoavina.
Nisy moa ny fanomezana solom-bodiakoho natolotra ireo akanga sisa nanamborana, toy ny fanao isan-taona, ho fanohanana azy ,hanehoana ihany koa ny firaisankina sy ny fifampitsinjovana.

Related Post