Fianarantsoa, 14 Mey 2024 โ Natomboka taminโny fomba ofisialy androany talata 14 Mey eto Fianarantsoa, Faritra Matsiatra Ambony, ny fanamarihana ny Herinandronโny Fianakaviana Sambatra, hetsika ara-pahasalamana sy sosialy efa fanao isan-taona manerana anโi Madagasikara.
Haharitra hatraminโny zoma 17 Mey 2024 ny hetsika, ary miavaka manokana aminโity andiany ity ny fanokafana ny fankalazana ny faha-50 taona nisianโizany, izay manamafy ny anjara toerana lehibe sahaninโny fianakaviana eo aminโny fiarahamonina sy ny fampandrosoana maharitra.
๐ Tolotra akaiky ny vahoaka
Ao anatinโity herinandro ity, tolotra ara-pahasalamana marolafy no entina hanakaikezana bebe kokoa ny mponina, ahitana ny fitiliana diabeta, ny fandrindram-piterahana, ny fizahana ara-pahasalamana ankapobeny, ny fitiliana VIH/SIDA, ary ny fanaraha-maso manokana ny fahasalamanโny reny sy ny zaza.
๐ Fiaraha-mientanโny sehatra maro
Ny fikambanana FISA, miaraka aminโny Ministeranโny Fahasalamam-bahoaka, no mitarika sy mandrindra ny hetsika, iarahana aminโireo tobim-pahasalamana fototra (CSB) manerana ny faritra. Tafiditra ao anatinโny hetsika ihany koa ny fanamafisana ny asa fanaovam-baksiny, ho fiarovana ny fahasalamanโny besinimaro.
๐ Tanjona mazava
Mikendry ny hanakaiky ny tolotra ara-pahasalamana ho anโny vahoaka, hanatsara ny fahasalamanโny fianakaviana Malagasy, ary hanohana ny politikam-panjakana eo aminโny sehatry ny fahasalamam-bahoaka izao hetsika izao.
Aminโny ankapobeny, manaporofo indray ity hetsika ity fa ny fianakaviana salama sy voaaro no fototra iorenanโny fiarahamonina matanjaka sy mandroso.
โ๏ธ Nangoninโi Ando R.




