Fiadidina ny tanànan’Antsirabe | FANAMBOARAN-DALANA, NOVALIANA IREO FANGATAHANA

359 0

Ankoatr’ireo asa mandeha eto anivon’ny Fiadidina ny tanànan’Antsirabe, izay mitondra vokatra toy ny fahafahana mandoha ny karaman’ny mpiasa, ny fitsanganan’ny Caserne de Pompiers, fanamboarana ny Lapan’ny tanàna sy ireo maro tsy voatanisa dia mandray ary mamaly ihany koa ireny fitarainan’ny vahoaka ireny ny eto anivon’ny Fiadidina ny tanànan’Antsirabe tarihin’ny Ben’ny tanàna Dr Unoh.

Isan’izany ny fanamboarana ity lalana mianatsimo mandalo ny fokontany Fiadanana, Befaritra, Fananan’Ambositrakely, Mandriankeniheny antsoina hoe Lalamahitsy ity izay nitarihan’ny Ben’ny tanàna Dr Unoh ireo mpiasan’ny Kaominina na alahady aza ny andro.

Tsy vita iray andro anefa izany fa mbola hiara hisalahy hanohy izany izy ireo.

——
© : Commune Urbaine Antsirabe

Related Post

𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍𝐃𝐀𝐕𝐀 : 𝐍𝐀𝐌𝐏𝐀𝐅𝐀𝐍𝐓𝐀𝐑𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐀𝐍𝐘 𝐍𝐘 𝐕𝐎𝐊𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐃𝐈𝐇𝐀𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐙𝐀𝐘 𝐍𝐀𝐓𝐀𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐂𝐑𝐎𝐈𝐗 𝐑𝐎𝐔𝐆𝐄 𝐇𝐈𝐀𝐓𝐑𝐄𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐑𝐈𝐕𝐎-𝐃𝐎𝐙𝐀

Posted by - février 14, 2025 0
𝑵𝙖𝒕𝙤𝒍𝙤𝒕𝙧𝒂 𝒂𝙣𝒅𝙧𝒐𝙖𝒏𝙮 𝙩𝒂𝙤 𝙖𝒎𝙞𝒏’𝒏𝙮 𝙝𝒐𝙩𝒆𝙡𝒚 𝑽𝙀𝒁𝙊 𝘽𝑬𝘼𝑪𝙃 𝒏𝙮 𝙫𝒐𝙠𝒂𝙩𝒓𝙮 𝙣𝒚 𝒇𝙖𝒏𝙖𝒅𝙞𝒂𝙝𝒂𝙙𝒊𝙖𝒏𝙖 𝙞𝒛𝙖𝒚 𝒏𝙖𝒕𝙖𝒐𝙣’𝙣𝒚 𝑪𝙧𝒐𝙞𝒙 𝒓𝙤𝒖𝙜𝒆 𝑴𝙖𝒍𝙖𝒈𝙖𝒔𝙮 𝙢𝒊𝙠𝒂𝙨𝒊𝙠𝒂 𝒏𝙮 𝙛𝒊𝙖𝒕𝙧𝒆𝙝𝒂𝙣𝒂 𝒏𝙮…