FaritraBongolava | Teo ambany fiahian’ny Fiadidian’ny Faritra Bongolava

202 0
Teo ambany fiahian’ny Fiadidian’ny Faritra Bongolava, ny Prefektioran’i Tsiroanomandidy, ny Kaomina ambonivohitr’i Tsiroanomandidy.
Notontosaina anio faha 15 martsa 2025 ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny fiarovana ny zon’ny mpanjifa.
Hetsika maro no nentina nanamarihana izany teto anivon’ny Faritra Bongolava, tamin’ny alalan’ny Fitaleavam-paritry ny fampiroboroboana ny indostria, ny varotra sy ny Fanjifana Bongolava.
Dia ny fanamarinana ireo mizana sy fitaovam-pandanjana maro hafa, ny fandorana ireo entana lany daty ary famelabelaran-kevitra niarahana tamin’ny Filohan’ny FIMZOMPAM (Fikambanana miaro ny zon’ny mpanjifa).
Tafatsangana arak’izany ny FIMZOMPAM eto Bongolava, ho fiarovana ireo zo fototra hananan’ny Mpanjifa.

Related Post

𝐅𝐀𝐌𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐎𝐋𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐈𝐀𝐒𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐒𝐀 𝐄𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐎𝐑𝐈𝐍𝐀𝐒𝐀 𝐒𝐈𝐑𝐀𝐌𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐈𝐋𝐎𝐁𝐄

Posted by - novembre 4, 2025 0
Tonga any Ambilobe ny solontenam-panjakana ahitana ny Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asam-panjakana 𝑭𝑳𝑶𝑹𝑬𝑵𝑻 𝑺𝒐𝒂𝒕𝒊𝒂𝒏𝒂 𝑩𝒆𝒕𝒚 𝑳𝒆́𝒐𝒏𝒏𝒆. Ny…