FARITRA MENABE : KAOMININA AMBANIVOHITRA 21 NO NISITRAKA RANO FISOTRO MADIO

267 0

✅Tonga nitsidika ny faritra Menabe ny andron’ny alakamisy faha 21 Martsa 2024 ny minisitrin’ny rano sy ny fanadiovana ary fidiovana Andriamatoa Fidiniavo Ravokatra izay notronon’andriamatoa Haja Resampa minisitrin’ny tanora sy ny fanatanjahan-tena Haja izay minisitra mpiahy ny faritra Menabe nandritra izao fandalovany izao no nitokanana ireo fotodrafitr’asa ho an’ny rano fisotro madio fanadiovana sy fidiovana tao amin’ny kaominina ambanivohitra Analaiva sy Bezezika sy Ampanihy ka mponina maherin’ny iray alina no nahazo rano fisotro madio fanadiovana sy fidiovana mponina maherin’ny iray alina amin’ireo kaominina telo ireo moa no nisitraka izay fotodrafitr’asa izao niaraka tamin’izany ihany koa no nanolorana « bloc sanitaires » miisa telo ho an’ny sekoly Epp Anjatelo sy Epp Mihary ary Epp Bezezika ka mpianatra miisa 1041 no nisitraka izany, izao moa no tanteraka dia nohon’ny fiaramiasa misy eo ministera sy ONG HELVETAS izay niantoka ny 70 isan_jaton’ny fandaniana tamin’ny fanatanterahana ny asa raha 30 isan_jato no avy amin’ny kaominina.


✅ 54 isan_jaton’ny mponina eto Madagasikara no efa misitraka rano fisotro madio ankehitry raha 39 isan_jato monja izany roa taona lasa ka nitondra hafa ho an’ireo mpisitraka Andriamatoa minisitra Fidiniavo Ravokatra ny mba hikojakojana ireo fotodrafitr’asa ireo, velom_pisaorana moa ireo mpisitraka satria ary nilaza ny ben’ny Tanànan’ny kaominina ambanivohitra Analaiva fa raha ny rano maloto no nosotroina hatramin’izay satria dia iny ranon’ny Dabara iny no nosotroina sy nampiasana hatramin’izay dia izao vao nisitraka ny zo fototra hisitraka rano fisotro madio ny mponina tato anatin’ny roa taona dia kaominina ambanivohitra 21 ato amin’ny faritra Menabe no nisitraka rano fisotro madio nohon’ny ezaky ny ministeran’ny rano sy ny fanadiovana ary fidiovana tamin’ny alalan’ny fitaleovam_paritrin’ny rano fanadiovana sy fidiovana Menabe vatsin’ny Ong Helvetas; izany ireto vao notokanana sy natolotra ireto.


✅ Nitondra hafatra ho an’ny olom_pirenena feno taona ihany koa ny minisitra Fidiniavo Ravokatra mikasika ny hiatrehana fifidianana Solombavambahoaka ny 29 Mai izao ka nilazany fa malalaka ny rehetra amin’ny safidiny saingy mangataka izy ny hifidianana Solombavambahoaka manohana ny fitondrana satria raha ny mpanohitra hoy izy no ho laniana dia zavatra mifanohitra sarotra hiara_dia ka sarotra ny hametraka fampandrosoana amin’izay.
✅ Ny fotoana androany moa dia natrehan’ireo solon_tenam_panjakana ato amin’ny faritra Menabe izay notarihin’ny Préfet an’ny Morondava sy ny Governoran’ny faritra Menabe ary ireo mpisitraka ny fotodrafitrasa, betsaka no efa vita hoy izy ary mbola betsaka koa ny mbola miandry ka manatena ny fiarahamiasa hitohy hatrany ny minisitra mba hanatsatrarana ny vina hoe ny taona 20030 efa misitraka rano madio avokoa ireo mponina ato Menabe.


✅Nilaza moa ny minisitra mpiahy ny faritra Menabe Andriamatoa Haja Resampa fa miezaka izy ny mampita ny marary ny vahoakan’ny Menabe amin’ireo minisitra tompon’andraikitra isaky ny ministera tsirairay avy satria izay no maha minisitra mpiahy azy.


Nangonin’i Ra-Pa Menabe

Related Post

𝐌𝐄𝐍𝐀𝐁𝐄 ; 𝐎𝐍𝐆 𝐒𝐀𝐇𝐈 𝐓𝐑𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝟗𝟕% 𝐓𝐀𝐍𝐉𝐎𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐀𝐃𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐘 𝐌𝐈𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐀𝐊𝐀

Posted by - novembre 15, 2024 0
𝑵𝒂𝒏𝒂𝒕𝒂𝒏𝒕𝒆𝒓𝒂𝒌𝒂 𝒂𝒕𝒓𝒊𝒌’𝒂𝒔𝒂 𝒇𝒂𝒎𝒑𝒂𝒇𝒂𝒏𝒕𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒂𝒔𝒂 𝒛𝒂𝒚 𝒏𝒂𝒕𝒂𝒐 𝒕𝒂𝒐 𝒂𝒏𝒂𝒕𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒕𝒆𝒍𝒐 𝒗𝒐𝒍𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑶𝑵𝑮 𝑺𝑨𝑯𝑰 𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐𝒂𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒉𝒂 15 𝑵𝒐𝒗𝒆𝒎𝒃𝒓𝒆 2025 𝒌𝒂…

𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍𝐃𝐀𝐕𝐀 : 𝐍𝐀𝐌𝐏𝐀𝐅𝐀𝐍𝐓𝐀𝐑𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐀𝐍𝐘 𝐍𝐘 𝐕𝐎𝐊𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐃𝐈𝐇𝐀𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐙𝐀𝐘 𝐍𝐀𝐓𝐀𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐂𝐑𝐎𝐈𝐗 𝐑𝐎𝐔𝐆𝐄 𝐇𝐈𝐀𝐓𝐑𝐄𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐑𝐈𝐕𝐎-𝐃𝐎𝐙𝐀

Posted by - février 14, 2025 0
𝑵𝙖𝒕𝙤𝒍𝙤𝒕𝙧𝒂 𝒂𝙣𝒅𝙧𝒐𝙖𝒏𝙮 𝙩𝒂𝙤 𝙖𝒎𝙞𝒏’𝒏𝙮 𝙝𝒐𝙩𝒆𝙡𝒚 𝑽𝙀𝒁𝙊 𝘽𝑬𝘼𝑪𝙃 𝒏𝙮 𝙫𝒐𝙠𝒂𝙩𝒓𝙮 𝙣𝒚 𝒇𝙖𝒏𝙖𝒅𝙞𝒂𝙝𝒂𝙙𝒊𝙖𝒏𝙖 𝙞𝒛𝙖𝒚 𝒏𝙖𝒕𝙖𝒐𝙣’𝙣𝒚 𝑪𝙧𝒐𝙞𝒙 𝒓𝙤𝒖𝙜𝒆 𝑴𝙖𝒍𝙖𝒈𝙖𝒔𝙮 𝙢𝒊𝙠𝒂𝙨𝒊𝙠𝒂 𝒏𝙮 𝙛𝒊𝙖𝒕𝙧𝒆𝙝𝒂𝙣𝒂 𝒏𝙮…