๐ Natao teto aminโny Fiangonana EKAR SAINTE THERESE DE LโENFANT JESUS ISOTRY no nanotrona farany anโi Radona sy ny fianakaviana.
๐ Tonga nanatrika sy nankahery ihany koa ny avy ao aminโny Ministeran ny Kolontsaina sy ny Serasera, izay notarihโAndriamatoa Minisitra Augustin ANDRIAMANANORO, ary notroninโireo Mpihira Gasy maro, nahitana ireo vao misandratra, teo ihany koa ireo Mpihira madinika sy efa manana ny lazany tahaka ny Tarika Rossy, sns โฆ
๐ Rehefa vita ny fotom-pivavahana ho fangatahana ho fialan-tsasatra ny fanahiny, dia niroso taminโny mari-boninahitra hoanโny RAFALISON Joachin ho eo aminโny laharana ยซ Chevalier de lโordre Malagasy ยป ny fandaharam-potoana, ka ny Minisitra Augustin ANDRIAMANANORO, izay misolon-tena ny Filoham-pirenena no nanolotra anโizany.
๐ Rehefa izany, dia nirona nanatitra ny vatana mangatsiakโity Kitanโny Hiragasy ity hanatitra azy any Mandrosoa Morarano Antongona ny rehetra.
๐ Tiana ny mampahafantatra fa i Radona na i RAFALISON Joachin dia anisanโny angady nanana sy vy nahitana ny nahatadfiditra ny Hiragasy ho Harem-bakoka iraisam-pirenena, arak any filazanโi Rossy teo am-pandraisana ny fitenenana nataony.
๐๐Mandria am-piadanana.๐๐
๐ Nangonin’Lay Mahintsy