Fanamafisana ny fametrahana ny paik’ady maharitra amin’ny fahandriam_pahalemana ao amin’ny kaominina Ankotrofotsy distrikan’i Miandrivazo faritra menabe.
Nototosaina omaly 29 novambra 2024 tamin’ny 11 ora sy sasany tao Ankotrofotsy ny fivoriana miaraka amin’ny vatan-dehilahy 18 taona ka hatramin’ny 45 taona izay notarihan’ny kaomandin’ny vondron-tobim_paritry ny zandarimaria Miandrivazo sy ny lehiben’ny distrikan’ny Miandrivazo
Notanterahina tamin’izany ny fampianarana ireo zatovolahy ny lalàna mikasika ny basy,ny fitondrana zava-maranitra, nisy koa ny fampahatsiavana ny andraikin’ny tsirairay manoloana ny fahandriampahalemana.
Tsara ho marihina fa Isan’ireo kaominina ambanivohitra tena nanjakan’ny asan-dahalony kaominina Ankotrofotsy taloha fa an_kehitriny dia toy ny nofy izany nohon’ny ezak’ireo tompon’andraika ka nankasitraka ny ezaka nataon’ny mpian-tsehatra rehetra ny vahoaka,notsongaina manokana tamin’izany ny zandarimaria.
Nirehitra ny toeram-pitrandrahana Vato « Spectrolyte na pierre de lune » ao amin’ny Fokontany Antsomangana, Kaominina Ambanivohitra Bemaitso, Distrikan’Andilamena ny Alatsinainy 23…
Manatanteraka fotoam-pivavahana lehibe eny amin’ny COLISEUM Antsonjombe ho fanamarihana ny fankalazana ny faha-60 taona nijoroany ny Fiangonana Jesosy Mamonjy androany…
📌 Araka ny toromarika azo avy any amin’ny foibem-pibaikona ny zandarimariam-pirenena, manolonana ny politika ankapoben’ny fanjakana, amin’ny lafiny filaminana sy…