TATITRA MOMBA NY FIZOTRAN’NY ASA FANAMBOARANA NY LALANA mampitohy any MORAMANGA sy ny district ANOSIBE AN’ALA RNT-23A.

353 0
Nidina ifotony nijery sy nanara-maso ny fandehan’ny asa ny Governoran’ny faritra Alaotra-Mangoro ny Dr Guy RAMAROSANDRATANA notronin’ireo Solombavambahoaka voafidy tao Anosibe An’Ala Atoa FANO sy ny Komity Mpitantana ny fanamboarana ary ireo Teknisianina maro.
Hita fa mandeha tsara ny asa ary efa vita hatrany amin’ny PK20, izay fanamby napetraky ny Governora sy ireo Zanampielezana tany amboalohany (PK 5 à PK 20).
Noho ny fandraisan’ny andaniny sy ankilany ny andraikitra tandrify azy araka ny tokony ho izy anefa, dia nanapa-kevitra ny roa tonta fa hotohizana hatrany amin’ny PK 35 ny fanamboarana; izany hoe mitotaly 30 km ny lalana amboarina.
Rehefa nitafa tamin’ireo fokonolona ny delegasiona dia nisaotra azy ireo ny Governora tamin’ny fandraisan’izy ireo anjara tamin’ny alalan’ny tanamaro ary tsy maintsy tandrovina ny lalana vita indrindra rehefa avy ny orana amin’ny alalan’ny Barrage de Pluie.
Nampatsiahivan’ireo nandray fitenenana fa matoa izao no vita dia noho ny fanomezan’Atoa FILOHA Andry RAJOELINA ireo Engins tantanin’ny faritra itsinjovana manokana ireo vahoaka indrindra amin’ny famoahana ny vokatra.
Faly ireo vahoaka sy ny mpampiasa lalana ka nisaotra manokana ny Fitondram-panjakana tarihan’Andriamatoa Filoha Andry RAJOELINA.
Aseho antsika etsy ambany oreo SARY FAMPATSIAHIVANA ny haratsin’io lalana PK 5 à PK 20 io teo aloha:
©️📸 Governora Alaotra Mangoro
📝 Nangonin’i Lova Janà

Related Post

𝘉𝘖𝘕𝘕𝘌 𝘈𝘊𝘛𝘐𝘖𝘕: 𝙏𝘼𝙂𝙉𝘼𝙈𝘼𝙍𝙊 𝙉𝘼𝙉𝘼𝘿𝙄𝙊 𝙉𝙔 𝙃𝙊𝙋𝙄𝙏𝘼𝙇𝙔 𝗖𝗛𝗥𝗥 𝗔𝗠𝗕𝗢𝗔𝗡𝗔𝗧𝗢

Posted by - février 4, 2024 0
« 𝘛𝘢𝘯𝘰𝘳𝘢 𝘮𝘪𝘢𝘳𝘢-𝘮𝘪𝘦𝘯𝘵𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘬𝘰𝘫𝘢𝘬𝘰𝘫𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘰𝘮𝘣𝘰𝘯𝘢𝘯𝘢 » 𝘉𝘖𝘕𝘕𝘌 𝘈𝘊𝘛𝘐𝘖𝘕: 𝙏𝘼𝙂𝙉𝘼𝙈𝘼𝙍𝙊 𝙉𝘼𝙉𝘼𝘿𝙄𝙊 𝙉𝙔 𝙃𝙊𝙋𝙄𝙏𝘼𝙇𝙔 𝗖𝗛𝗥𝗥 𝗔𝗠𝗕𝗢𝗔𝗡𝗔𝗧𝗢   𝗔𝘀𝗮𝗯𝗼𝘁𝘀𝘆 𝟬𝟯.𝟬𝟮.𝟮𝟬𝟮𝟰…