Fampandrosoana ifotony | vitan’Andriamatoa Orlando ny fametrahana vatofototra

25 0
Fampandrosoana ifotony: Tontosa androany faha 19 Aprily 2025, ny fametrahana vato fototra ho fanombohana ny asa fanamboarana birao vaovao ho an’ny Fokotany Salazamay 14/21 izay iadidian’Andriamatoa Orlando Mandimby Hita
๐Ÿ”น Vao roa volana izay no nandraisany ny fitantanana amin’ny maha Filohan’ny Fokotany Salazamay 14/21. Fantatra fa nataony laharam-pahamehana ny fanadiovana ny lakan-drano vaventy izay mirefy 1 kilometatra mahery. Nodiovina ny Boulevard Ratsimilaho manomboka avy eo amin’ny Marina Beach hatreny amin’ny Miou miou Club,eo ihany koa ny fanadiovana ny toerana fipetrapetrahana eo amin’ny fefin’ny Aeroport Ambalamanasy izay hohajariana mba ho toerana mahafinaritra.
๐Ÿ”นAnisan’ny fanambiny ny anorenana biraom-pokotany,ka kendrena ho vita afaka efa-bolana izany.
๐Ÿ”นFantatra fa nanolotra simenitra 20 lasaka ho fanampiana amin’ny fanorenana an’io Biraom-pokotany io,Atoa Rakotovao Andry Governoran’ny Faritra Atsinanana Mpisolo toerana.
๐Ÿ”นNanome voninahitra ny lanonana izay natao androany io ny Solotenan’ny VPAN Toamasina sy ny Solotenan’ny Ben’ny Tananan’i Toamasina.

Related Post

๐…๐Ž๐‘๐“-๐ƒ๐€๐”๐๐‡๐ˆ๐ | ๐‚๐‡๐‘๐‘ ๐€๐Œ๐๐Ž๐€๐๐€๐“๐Ž.

Posted by - avril 13, 2025 0
๐…๐Ž๐‘๐“-๐ƒ๐€๐”๐๐‡๐ˆ๐ | ๐‚๐‡๐‘๐‘ ๐€๐Œ๐๐Ž๐€๐๐€๐“๐Ž. —- Hofankalazana ny andro manerantany hoan’ny fahasalamana sy hofamaliana ireo fangatahana ary fanamafisana ny fiaraha-miasa efa…

Association Soa Ambohimangakely

Posted by - dรฉcembre 14, 2023 0
โžก๏ธ Toy ny isan-taona dia mitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny Commune Ambohimangakely sy ny Association Soa Ambohimangakely Indrindra amin’izao…

DISITRIKA NY BENENITRA

Posted by - janvier 18, 2025 0
Tontosa androany ny Fambolen-kazo ato Faritra Atsimo Andrefana ka nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany teto amin’ny Disitrika ny Benenitra .…