DPJ/SCAC-BC2 FAMONOANA MPITSARA : OLONA AKAIKY AZY IHANY NO NAHAVANON-DOZA, MPIRAY TSIKOMBAKOMBA MIISA 15 VOASARINGOTRA AMIN’ITY RAHARAHA ITY
Tsy olon-kafa fa dia olona akaiky nananan’ilay mpitsara fitokisana ihany no namono azy.
Nanao ny fikarohana ny teo anivon’ny BC2 ka lehilahy 31 taona izay mpamilin’ilay mpitsara no voasambotra teny Alatsinainy-Ambazaha ny 19 jona 2024 teo . Niaiky ny heloka vitany ity farany ary nilaza fa ny sakaizany no naniraka azy hamono ilay mpitsara . Nampanantena azy sprinter iray io sakaizany io raha vitany ny mamono ilay mpitsara.
Nanondro ny namany miisa 02 hafa nanampy azy mivantana tamin’ny famonoana sy ny toerana nanitrihan’izy ireo ny vatana mangatsikan’ilay mpitsara ity mpamily ity.
Tsy lavitra ny trano fonenan’ity lehilahy ity no nanitrihany ny razana. Nahazo alalana tamin’ny ray amandreniny ity farany mba hanitrihana ny razana teo amin’ny tokotany misy azy ireo. Mbola nampian’ireo fianakaviana ihany koa izy tamin’ny fandavahana ny lavaka nandevenana ny razana.
Fantatra fa efa lasan’ilay vehivavy sakaizan’ity mpamily ity izay naniraka hamono io mpitsara io ny vola tany amin’ny banky sy ny fiara.
Atolotra ny fitsarana androany 27 jona avokoa ireto olona voasambotra ireto.
Loharanombaovao : Polisim-pirenena Malagasy