Fety JAPONAIS Izay no tanterahana anio , teo amin’ny CEG AMBOHIMANGAKELY .

381 0
Mpilatsaka an-tsitrapo Japoney izay avy amin’ny JICA (Agence japonaise de coopération internationale) miara miasa sy monina eto amin-tsika Commune Ambohimangakely i MINAMI MATSUMURA .
👉Mandritran’ ny 1 taona sy 3 volana izy no mijanona eto , Ho tapitra amin’ny Volana Jolay Io anefa ny fijanonany eto .
🥰Nampiofana , sy nampianatra, momba ny tontolo Ambanivohitra sy fanatsarana ny fiainana ary fanamboarana charbon sy fanaovana fatana mitsitsy izy ary nidina ifotony mihintsy miresaka sy mampianatra.
🥰Maro be ireo Olona nahazo tombotsoa satria tsy voatery misy vola foana hoy izy vao afaka manao zavatra fa , atomboka amin’ny zava misy .
🥰Ka naneo ny fampiofanana sy Fampianarana maro nataony izy sy ireo Nampianariny anio .
Tonga nanotrona ny Fety ny Mpiara miasa rehetra teto anivon’ny Kaominina izay notarihan’i Ier Adjoint RIVO LAZA .
Ary nisy ihany koa ny fanomezana marim-pankasitrahana hoan’ireo Niofana ..
Nisy ihany koa ny kilalao maro be , niarahana tamin’ny Ankizy , zumba , sns…
Nangonin’Lay Mahintsy
📷: Commune Ambimangakely

Related Post

𝐄𝐅𝐀 𝐀𝐍𝐓𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐓𝐀𝐍𝐓𝐄𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐍-𝐉𝐈𝐑𝐎 𝐄𝐓𝐎 𝐒𝐀𝐁𝐎𝐓𝐒𝐘 𝐍𝐀𝐌𝐄𝐇𝐀𝐍𝐀

Posted by - décembre 8, 2023 0
𝐄𝐅𝐀 𝐀𝐍𝐓𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐓𝐀𝐍𝐓𝐄𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐍-𝐉𝐈𝐑𝐎 𝐄𝐓𝐎 𝐒𝐀𝐁𝐎𝐓𝐒𝐘 𝐍𝐀𝐌𝐄𝐇𝐀𝐍𝐀, 𝐌𝐀𝐑𝐎 𝐍𝐎 𝐁𝐎𝐁𝐎𝐍𝐆𝐎𝐋𝐎 𝐊𝐀 𝐀𝐇𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐈𝐓𝐄𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐋𝐎𝐙𝐀 𝐇𝐎𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐎𝐍𝐈𝐍𝐀   Mandry andriran’antsy…

RAHARAHA FANAPOHANA SOLIKA

Posted by - octobre 22, 2024 0
Olona 24 tompon’antoka no voasambotry ny sampana fikarohana heloka bevava eo anivon’ny zandarimariam_pirenenana taorian’ny fidinana ifotony natao tamina tokatrano 10…