AKON’NY FAMOHAM-BOKATRA OFISIALY TENY AMIN’NY FITSARANA AVON’NY LALAM-PANORENANA

406 0
Nitombo an-dalana toy ny dian’andriana ny Kandida lany tamin’ny anaran’ny IRMAR na ny Isika Miaraka amin’i Andry Rajoelina, rehefa nofoanana tsy hanan-kery ny vato azon’ireo Kandida tsy miankina tao amin’ny anatin’ny Distrika miisa 02, vokatr’izany dia lasa nandresy ny Kandida ny Irmar, dia tao amin’ny Distrika Moramanga, ary ny Distrikan’i Maevatanana.
Koa raha ny voakatra ofisialy navoakan’ity Andrim-panjakana afaka mamoaka ny Didy tsy azo ivalozana ity arak’izany dia manana ny toerana an-tsasamanila eny Tsimbazaza ny Vondrona IRMAR, izay nahazo toerana 83, raha 52 ny Solombavambahoaka Mahaleon-tena, ary 22 kosa ireo Kandida natolotry ny Vovonana Firaisankina.
Fa anisan’ny zava-tsikaritry ny be sy ny maro, rehefa notononina ny vokatra avy any amin’ny Distrikan’ny Faratsiho, ao amin’ny Faritra Vakinankaratra, dia horakoraka no heno nanakoako eran’ny trano, ary tafapaka hatrany ivelany mihintsy aza, eny fa na dia efa nilaza mialoha aza ny Filohan’ny HCC, Andriamatoa Florent RAKOTOARISOA no tsy hanasiana fihetseham-po, ary nohamafisiny indroa miantohana mihintsy izany, kanefa tsy tana intsony ny zava-misy.
Milaza samy afam-po tamin’iny vokam-pifidianana iny avokoa ireo Kandida rehetra nilatsaka ho fidiana ka nibata ny fandresena.
Mba ho ten solombavambahoaka hiteny anie, fa tsy solombavambahoaka hihinana e !
Mahaleohova mahalasana avokoa..
Nangonin ‘Lay Mahintsy

Related Post

𝐂𝐄𝐍𝐈: 𝐍𝐚𝐧𝐚𝐦𝐞𝐥𝐨𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐞𝐧𝐣𝐞𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐚𝐭𝐚𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐀𝐧𝐭𝐞𝐧𝐢𝐦𝐢𝐞𝐫𝐚𝐧-𝐝𝐨𝐡𝐨𝐥𝐨𝐧𝐚

Posted by - juin 4, 2025 0
Nanambara ampahibemaso ny Birao maharitry ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) fa manameloka tanteraka ny fanenjehana nataon’ny Filohan’ny Antenimieran-doholona,…