π…π€πŒπ€π“π’πˆπ€ππ€ π‘π€ππŽ π…πˆπ’πŽπ“π‘πŽ πŒπ€πƒπˆπŽ

133 0
Kaominina 03 ao amin’ny Distrikan’i Moramanga no misitraka fotodrafitr’asa famatsiana rano fisotro madio amin’ny alalan’ny FPMH (forage avec pompe Γ  motricitΓ© humaine) miisa 10, izay vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny fitondram-panjakana sy ny Orinasa Ambatovy.
Ny 05 amin’izy ireo ao amin’ny Kaominina Andasibe ka ny 01 ao amin’ny Fokontany Mangarivotra Atsimo, ny 01 ao Mangarivotra Avaratra ary ny 03 ao Sahavarina. 04 kosa no anjaran’ny Kaominina Morarano Gara ka ny 02 ao Sakalava I ny 01 ao Sakalava II ary ny 01 ao Mahavoky Mahatakatra. Ao Antaralava, Kaominina Ambohibary kosa no misy ny 01 farany.
Tonga tany an-toerana nanao ny fandraisana ireo fotodrafitr’asa ireo nanomboka ny 20 ka hatramin’ny 23 Desambra 2024 lasa teo moa ny teknisianina avy amin’ny fitalem-paritry ny Rano sy fidiovana ary fanadiona Alaotra Mangoro.
πŸ“ 𝑳𝒐𝒗𝒂 𝑱𝒂𝒏𝒂̀

Related Post

π…πšπ‘πšπ­π¬π’πšπ«π¨π―πšπ§πš 𝐧𝐲 𝐭𝐨π₯𝐨-𝐩𝐚𝐧𝐚𝐟𝐚𝐑𝐚𝐧𝐚 πŸπŸ— 𝐌𝐚𝐫𝐭𝐬𝐚 πŸπŸ—πŸ’πŸ• 𝐭𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐨𝐫𝐚𝐦𝐚𝐧𝐠𝐚

Posted by - mars 29, 2024 0
Β«Β π…πˆπ“πˆπ€π•π€π-π“π€ππˆππƒπ‘π€π™π€ππ€ 𝐍𝐎 π…πŽπ“πŽπ“π‘π˜ 𝐍𝐘 π…π€πŒππ€ππƒπ‘πŽπ’πŽπ€ππ€Β Β» π…πšπ‘πšπ­π¬π’πšπ«π¨π―πšπ§πš 𝐧𝐲 𝐭𝐨π₯𝐨-𝐩𝐚𝐧𝐚𝐟𝐚𝐑𝐚𝐧𝐚 πŸπŸ— 𝐌𝐚𝐫𝐭𝐬𝐚 πŸπŸ—πŸ’πŸ• 𝐭𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐨𝐫𝐚𝐦𝐚𝐧𝐠𝐚 Ny Minisitry ny fiarovam-pirenena no nitarika ny…