Faritra Betsiboka: Tsy mandry alina sy atondro

329 0
Faritra Betsiboka: Tsy mandry alina sy atondro ny kaomandy ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandary aty an-toerana, fa midina ifotony manome paikady, hisorohana mialoha ny trangana tsy fandriam-pahalemana.
πŸ‘‰ Tsy natao hanafana seza sy birao na ihany koa manome baiko fotsiny ny kaomandy ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandary eto Betsiboka fa midina ifotony mametraka paikady hisorohana mialoha ny trangana tsy fandriam-pahalemana miseho, any ambanivohitra sy an-drenivohitra, ato anatin’ny faritra Betsiboka.
πŸ‘‰ Nanao totoafo ny fidinana eny an-kianja sy ny dinika nifanaovana tamin’ireo olom-boafidy, olom-boatendry, ary ny fokon’olona, izay nataon’ny LietinΓ -kolonely Andrianatrehina Ando Dinah, kaomandy ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandary eto Betsiboka mba hamahana ny olana sy fisoroahana mialaho mety hisian’ny trangana Kidnapping, halatr’omby, fanakanana fiara taksiborosy, fanafihana mitam-piadiana. Nisy hatrany ny fanomezana torimarika hoan’ireo Zandary miantsehatra, eny amin’ny lalam-pirenena fahefatra sy miasa any amin’ireo zana-tobim-paritra rehetra.
πŸ‘‰ Anisan’ny mampiavaka ny fidinana ifotony nataon’ity tompon’andraikitra ny filaminana, eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena aty Betsiboka ity ny ambetin-dresaka manao hoe: tsy maintsy hampiarina amin’ireo olon-dratsy ny lalΓ na misy eto amin’ny tany sy ny firenena no fongorana hatramin’ny fakany tsy misy hatak’andro, ireo tsy maty manonta amin’izany, toy ny: mpiray tsikombakomba sy ny dahalo ambony latabara.
πŸ‘‰ Vao tsy ela moa ny kaomandy ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandary eto Betsiboka no nijery ny vahaolana makasika ny trangana kidnapping any amin’ny tapan’ny atsimon’ny disitrikan’i TsaratanΓ na iny no midina eny amin’ny lalam-pirenena fahefatra ihany koa. Tsy nisy izay tsy resy lahatra ny olona tsirairay avy, nahitan’ny fandraisana andraikitra mateho-tia sy ho mendri-kaja, nataon’Atoa LietinΓ -kolonely Andrianatrehina Ando Dinah nandritra ny fitetezam-pokontany sy kaominina, ary disitrika.
πŸ‘‰ Tsy mijanona hatreo anefa ny hezaka hatao, hoy ity farany no sady nampahery sy nampitraka ny adidy iantsoroan’ireo Zandary eny an-kianja.
Nagonin’i Zandry be Tantely

Related Post

πƒπˆπ’π“π‘πˆπŠπ€π’𝐈 π’πŽπ€ππˆπ„π‘π€ππ€ -πˆπ•πŽππ†πŽ: π“πŽπ‡π€ππƒπ‘π€ππŽ π“π„π‹πŽ ππ€π“π€πŽ π…π€ππƒπ‘π€πˆπ’π€ππ€ π•πŽππ‰πˆπŒπ€πˆπŠπ€ π€πŽ π€πŒπˆπ’𝐍𝐘 πŠπ€πŽπŒπˆππˆππ€ π€πŒππŽπƒπˆπ€πŒππ€ππ€.

Posted by - fΓ©vrier 23, 2024 0
πƒπˆπ’π“π‘πˆπŠπ€π’𝐈 π’πŽπ€ππˆπ„π‘π€ππ€ -πˆπ•πŽππ†πŽ: π“πŽπ‡π€ππƒπ‘π€ππŽ π“π„π‹πŽ ππ€π“π€πŽ π…π€ππƒπ‘π€πˆπ’π€ππ€ π•πŽππ‰πˆπŒπ€πˆπŠπ€ π€πŽ π€πŒπˆπ’𝐍𝐘 πŠπ€πŽπŒπˆππˆππ€ π€πŒππŽπƒπˆπ€πŒππ€ππ€. — Miakatra 150ha ny tanim-bary voatondraka ankehitriny, ny…