π…π€πŒπ€π“π’πˆπ€ππ€ π‘π€ππŽ π…πˆπ’πŽπ“π‘πŽ πŒπ€πƒπˆπŽ

388 0
Kaominina 03 ao amin’ny Distrikan’i Moramanga no misitraka fotodrafitr’asa famatsiana rano fisotro madio amin’ny alalan’ny FPMH (forage avec pompe Γ  motricitΓ© humaine) miisa 10, izay vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny fitondram-panjakana sy ny Orinasa Ambatovy.
Ny 05 amin’izy ireo ao amin’ny Kaominina Andasibe ka ny 01 ao amin’ny Fokontany Mangarivotra Atsimo, ny 01 ao Mangarivotra Avaratra ary ny 03 ao Sahavarina. 04 kosa no anjaran’ny Kaominina Morarano Gara ka ny 02 ao Sakalava I ny 01 ao Sakalava II ary ny 01 ao Mahavoky Mahatakatra. Ao Antaralava, Kaominina Ambohibary kosa no misy ny 01 farany.
Tonga tany an-toerana nanao ny fandraisana ireo fotodrafitr’asa ireo nanomboka ny 20 ka hatramin’ny 23 Desambra 2024 lasa teo moa ny teknisianina avy amin’ny fitalem-paritry ny Rano sy fidiovana ary fanadiona Alaotra Mangoro.
πŸ“ 𝑳𝒐𝒗𝒂 𝑱𝒂𝒏𝒂̀

Related Post

π‹πšπ₯𝐚𝐧𝐚 𝐞𝐭𝐨 𝐚𝐧𝐭𝐚𝐦𝐩𝐨𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚’𝐒 𝐯𝐚𝐀𝐒𝐧𝐚𝐀𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 | 𝐌𝐒𝐑𝐚𝐫𝐚𝐭𝐬𝐲 𝐬𝐲 π¦π’π‘πšπ¬π’π¦π›πš

Posted by - janvier 16, 2024 0
π‹πšπ₯𝐚𝐧𝐚 𝐞𝐭𝐨 𝐚𝐧𝐭𝐚𝐦𝐩𝐨𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚’𝐒 𝐯𝐚𝐀𝐒𝐧𝐚𝐀𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 | 𝐌𝐒𝐑𝐚𝐫𝐚𝐭𝐬𝐲 𝐬𝐲 π¦π’π‘πšπ¬π’π¦π›πš   Mitombo ihany ny faharatsiana Ary mampitaraina ny mpampiasa ny lalana ,…