Tobim-piantsonana Andohatapenaka

353 0
Miankina amin’ny mpamily ny 80 isanjato eny amin’ny lalana hoy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny tobim-piantsonana Andohatapenaka Andriamatoa Fidy RANAIVOSON.
Manentana ny mpamily noho izany ny tenany mba hitandrina ka handeha milamina foana, tsy handray zava-mahadomelina fa indrindra tsy hifampisongona fa hahay hifandefitra amin’izao ankatoky ny fety mahabetsaka fiara mifamezivezy izao.
Misy ny fitsirihana manokana ireo fiara rehetra miainga eny amin’ity tobim-piantsonana ity izay iarahan’ny avy eo anivon’ny DGSR, ny ATT ary ny minisitera hisorohama ny loza ka nanomboka ny 23 desambra hatramin’ny 25 desambra tsy mbola nisy ny loza niseho.
Nahatratra hatrany amin’ny 245 ireo fiara niainga nakany amin’ny faritra teny amin’ny gare Andohatapenaka nanomboka 21 desambra teo ka ny mihazo an’i Mahajanga no tena be mpandeha, fiara 90 tany ho any.
Efa nihena kosa izany amin’izao saingy entanina hatrany ny mpandeha hanao famandrihan-toerana mialoha.
Tsy misy fiovana ny saran-dalana na eo aza ny fety fa izay voasoratra ihany ka azo atao ny mametraka fitarainana raha misy ny mpanararaotra.
πŸ“ M.Elvina

Related Post

𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – π’πžπŸπ¨ 𝐟𝐨𝐀𝐨𝐧𝐭𝐚𝐧𝐲 𝐚𝐧𝐝𝐚π₯𝐚𝐧𝐚 𝐑𝐚𝐧𝐚𝐭𝐒𝐭𝐫𝐚 𝐯𝐨𝐀𝐚-𝐩𝐒𝐟𝐒𝐝𝐒𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐭𝐲 𝐭𝐚𝐦𝐩𝐨𝐀𝐚

Posted by - juin 1, 2024 0
𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – π’πžπŸπ¨ 𝐟𝐨𝐀𝐨𝐧𝐭𝐚𝐧𝐲 𝐚𝐧𝐝𝐚π₯𝐚𝐧𝐚 𝐑𝐚𝐧𝐚𝐭𝐒𝐭𝐫𝐚 𝐯𝐨𝐀𝐚-𝐩𝐒𝐟𝐒𝐝𝐒𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐭𝐲 𝐭𝐚𝐦𝐩𝐨𝐀𝐚 ✦Maty teny andalana raha hanatitra voka-pifidianana hihazo aty Mandritsara ny sefo…